Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 13h46
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy nidongy seza

mardi 23 septembre 2008 | Naivo kely

Tsy miandry raorao fa mahay manaja tena ny filoha Afrikana Tatsimo Thabo Mbeki, vokatry ny fitakian’ny antoko ANC izay misy azy. Raharaha niainga tamin’ny fitoriana an’i Jacob Zuma ho tafiditra tamin’ny resaka kolikoly nefa noafahan’ny fitsarana ity farany. Na dia mbola manana sivy volana aza ity filoha Afrikana tatsimo ity hitondrany ny firenena, dia nahay nanaja tena. Hametraka vonjimaika izay hitondra ity firenena ity ireo andrim-panjakana mpanao lalàna any amin’io firenena io alohan’ny hanaovan’ny vahoaka fifidianana faobe.

Faka tahaka ny toy izao. Tsy midongy seza, fa mahay mibanjina ny tombontsoam-pirenena tsy misy raorao. Firenena iza aty Afrika no sahy manao toa izao ? Na dia efa mandriaka aza ny ra ao amin’ilay firenena iray, dia tsy misy filoha sahy manaja tena miala am-boninahitra. Ny hitondra mandra-maty aza no tadiavin’ny hafa. Tsy fampitahana amin’ny eto an-toerana io, fa fitarafana ny zava-misy eran-tany. Ny antoko ANC izay misy azy, kanefa nanala azy tamin’ny toerany, dia ahiana hivaky roa taorian’iny fametraham-pialana ny alahady lasa teo iny. Omaly ihany no fantatra fa nametrahana ny filoha vonjy maika any Afrika Atsimo, ary hita fa tony ny vahoaka any amin’io firenena io. Mby aiza amin’izany isika ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS