Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h46
 

Teny zato, kabary arivo

Mazava ny resaka

lundi 29 septembre 2008 | Naivo kely

Hanaovana ozinina lehibe hamokatra sakafom-biby ilay toerana lehibe totofana etsy Andohatapenaka. Io no nambaran’ny filoha Ravalomanana raha vao tafaverina avy any New York izy.

Mamokatra provandy hatramin’ny 25 taona isaky ny adin’ny iray io toerana io. Tanim-panjakana io hoy ny filoha, ka izao nirosoana izao ny fanajariana ny tany. Fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana ary ny FAO izao asa izao. Mazava amin’ny maro avy hatrany, raha vao miresaka izany ny filoha, fa hahazo tombon-dahiny lehibe amin’io ny orin’asan’ny filoha, izay mamokatra itony sakafom-biby itony. Io ilay tsy miankina nambaran’ny filoha. Efa tsinjon’ny maro hatry ny ela io, ary na ireo tompon’andraikitra samy nialangalangala tsy nety nilaza ny anton’io fanotofana tany io aza dia efa mazava ny resaka. Efa malalaka ve ny fanotofana tany eto an-drenivohitra sa izay tetik’asa goavana toy izao ihany no afaka manao izany ? Na ny teo anivon’ny kaominina an-drenivohitra aza, dia nanambara fa tsy nisy alalana navoakan’izy ireo momba ny fanotofana tanimbary toy izao. Andraikitra nankinina tamin’ny APIPA ity fanotofana tany ity ankehitriny, ary ho hita taratra fa maro no hiroso amin’ny toy izao, satria samy te-hanototra ny taniny avy ny ankamaroan’ny olona manana izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS