Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Teny zato, kabary arivo

Lavitra ny lalana

vendredi 26 septembre 2008 | Naivo kely

Fanamby tsy maintsy mipetraka ny fampandrosoana ny firenena. Na zovy olona tafakatra eo, dia firenena aloha, vao ny fitiavan-tena. Ny mifanohitra amin’io, dia mampivarina an-kady ny tanindrazana.

Lavitra ny lalana ho diavintsika raha nandre ny kabary nataon’ny filoha Ravalomanana tany New-York farany teo isika. Mila ny fanampiana ataon’ny firenena matanjaka i Madagasikara, vao ho tafavoaka amin’izao fahantrana izao. Ny sehatry ny fampianarana sy ny fandriampahalemana, dia vola be no notanisain’ny filoha vao afaka miala amin’izao sehatra misy antsika izao. Midika io, fa eo am-pelatanan’ny vaventy ny hoavintsika iray manontolo. Apetraho ny fanamby goavana, izay hiainga amintsika mianakavy, fa tsy maintsy tafarina ny tanindrazana. Firenena rotiky ny ady aza miady lohalaharana amin’ny firenena matanjaka, koa maika fa isika manana ireto harena milevina sy ambonin’ny tany ireto. Tsy ho mora kivy, fa mila miray saina. Vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika raha tena eo ilay finiavana. Manana ny MAP isika, saingy raha nandre ilay kabary nataon’ny filoha Ravalomanana farany teo, dia hay mbola lavitra ny lalana. Tsy i Madagasikara irery no firenena mila fanampiana, koa na ho inona fahaizantsika miresaka sy mandresy lahatra ny vahiny, dia mbola mijanona ho am-bava ny ankamaroany. Sa amin’izao dian’ny filoha any ivelany izao, dia hitsetra antsika ny firenena matanjaka, ka ho tratra ny tanjona hialana amin’ny ampaham-pahantrana hatramin’ny 2015 ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS