Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 22h59
 

Teny zato, kabary arivo

Afa-tahotra

lundi 22 septembre 2008 | Naivo kely

Nisento tokana ny mponina raha vao nandre, fa tsy hisy ny fandravana trano, manoloana ny fanaovana ilay lalana migodana miainga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, mipaka hatraty Ankadimbahoaka. Voalaza aloha hatreto, fa ireo takela-by misy dokam-barotra manamorona ny lalana no tsy maintsy esorina amin’ny toerany.

Afa-tahotra aloha hatreto ny maro manoloana ny mety ho fandravana ny trano fonenany. Hanomboka tsy ho ela ny asa, ary hiova hanaraka izany koa ny tontolo manodidina. Lalana migodana, izay sambany vao hisy eto no apetraka. Raha ny kajikajy nataon’ireo tompon’andraikitra ara-teknika, dia io mandry ivohon’ny vato io ny vahoaka, saingy eny am-panaovana ny asa no tsy hay na hisy ampaham-pananan’olona ho voakitika ihany na tsia. Raha ny refy amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia aty an-drenivohitra vao hisy trano ho voakitika kely. Efa misy ny fifampiraharahana amin’izy ireny, ataony fanjakana amin’izao fotoana. Antenaina, ny hahatafita ilay teny tany aloha milaza hoe, « tsy hikitika ny efa manana, fa hampanana ny mbola tsy manana ». Dia minoa fotsiny ihany isika rehetra fa ny asa ho vita, ny trano tsy ho rava.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS