Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h03
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hay kosehina

mercredi 17 septembre 2008 | Naivo kely

Lasa ilay kintan’ny haisoratra Malagasy. Tsy nisy izay tsy niventso ny sangan’asany ny ankamaroan’ny Malagasy. Iza tokoa no tsy ahafantatra an’i Rado, raha tsy hireny afa-tsy ilay tononkalo manao hoe « vola fitompolo sisa teny antanany ».

Fandalovana ny tany, ary ireo izay nahay nanararaotra nametraka ny soa sy ny tsara teto, dia mipetraka ho olomangan’ny firenena. Izay mifanohitra amin’izany kosa, dia aza ho gaga raha tsy misy mpanontany. Manana ny anjara toerany ny haisoratra eto amintsika, satria miainga amin’io no tena ahafantarana ny soa toavina maha-Malagasy. Hianarana fa tsy avela handalo fotsiny izay voalazan’ireo zoky ray aman-dreny. Isan’io ny tononkalo navelan’i Rado. Raha lasa izy, ny sorany kosa anefa mitoetra, ary tsy ho faty mandrakizay. Mby aiza amin’ireny kosa ireo tanora ankehitriny, izay tafiditra lalina eo amin’ny famoronana ny kanto Malagasy ? Tsy vitsy no mitrandraka ifotony, ary maro ihany koa ireo tia handrakandrana. Na eo amin’ny lafiny haisoratra io na ihany koa eo amin’ny tontolon’ny hira Malagasy. Izay hanaitra ny olona ao anatin’ny fotoana fohy no maha-maika ny hafa, ka raha vao dila ny volana dia efa lefy laza ilay nosoratana. Mila finihana tsy hay kosehana ny kolontsaina Malagasy, ka izay mahay mitrandraka no tafita. Tsy tafita ihany fa ho reharehan’ny firenena manontolo na izao tontolo izao mihitsy ny sangan’asa izay novokariny. Azo ampetraka amin’io i Rado. Miandry ny mpandimby isika, izay azo tarafina fa efa maro izy ireo amin’izao fotoana izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS