Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 15h22
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Solika vita gasy

    lundi 29 décembre 2008 | Naivo kely |  935 visites
    Mihazakazaka ny mpandraharaha vahiny hidrandraka ny harena eto Madagsikara. Tsy asiana resabe amin'izany intsony ity mitranga ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Harena tsy hita pesipesenina no ahondrana any ivelany, izay tsapa fa kely sy bitika ny mba tombontsoa tafajanona ho an'ny Malagasy. Miditra amin'ny fitrandrahana ny solika any Tsimiroro sy Bemolanga ihany koa ny vahiny ankehitriny. Voalaza fa solika 25000 litatra isan'andro aloha hatramin'izao no efa azo ao Tsimiroro iny, fa (...)
  • Ahodino ho vola

    samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely |  678 visites
    Manankarena isika eto Madagasikara, ary be no milaza fa sarotra ho an'ny Malagasy ny hisian'izany fahasahiranana ara-tsakafo izany. Mitombina io raha ny fahitana ny fitobaky ny sakafo namidy nandritra ireny fety ireny no jerena. Ny vola indray no tsy maharaka, hoy ny fomba fiteny. Mbola be anefa no tsy afa-po amin'ny vidim-bokatra azony, ka mitaraina lava fa tsy mahavelona ny asa fambolena. Mety ho marina izany amin'ny hafa, nefa azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ny saina, manita-kevitra (...)
  • Dadabe Noely roa

    lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely |  886 visites
    Ny mizara kilalao sy vato mamy no nahafantarana ny dadabe Noely hatramin'izay, dia misy kosa dadabe Noely mizara hevitra any amin'ny vahoaka ankehitriny. Dadabe Noely roa izy ireo, na dia heverina fa tsy mbola dadabe aza raha ny hatanorany no jerena. Ny dadabe noely iray, dia maneho hevitra matetika rehefa miseho amin'ny haino aman-jery. Isaky ny alahady hariva ihany koa dia miteny izy. Ny filoham-pirenena io. Manambara ny ezaka natao sy ny tsy maintsy mbola hatao ny lehilahy. Fa nisy (...)
  • Fisamborana ?

    samedi 20 décembre 2008 | Naivo kely |  1132 visites
    Resabe teto an-dRenivohitra omaly ny feo niely tetsy sy teroa fa hosamborina hono ingahy Andry Rajoelina. Iza no hisambotra azy, ary inona no antony ? Io no feo niraradraraka tetsy sy teroa omaly tontolo ny andro. Mialoha ny nahafantarana ny marina avy amin'ny Fanjakana dia efa niainga sahady ny tora-po teny rehetra teny, ka zary tsy voafehy ny tendrom-po tsy mba namana. Hikohamaina aza atao, maika fa hisy rehoka, hoy ny fomba fiteny izay. Tsapa tamin'io omaly maraina io, fa misy mihitsy ny (...)
  • Mahamenatra

    vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely |  869 visites
    Te-hiaka-dapa sa maniry ny mba ahazo famatsiam-bola ho an'ny antoko politika ? Tsapa io nandritra ilay fihaonana natao teny Iavoloha farany teo nandinihana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Nipoitra tany amin'ny toerana niafenany avokoa mantsy ireo anarana antoko politika maro samy hafa. Eny misy ny mbola tsy re mihitsy hatramin'izay, ary tao ihany koa anefa ireo efa noheverina fa maty, saingy nitsangana ankehitriny fa hisy dinika hiarahana amin'ny filoha Ravalomanana. (...)
  • Singam-bolo nandavo ny vositra

    mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely |  670 visites
    Raikitra ny ady hevitra etsy Iavoloha. Misy ny vonona, ary misy ny ninia tsy nihaino ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana. Tsy mbola hay aloha hatreto, izay hevitra hivoaka ho lalàna ao, fa ny tsapa, dia nahasarika ny ady hevitra politika maro teto amin'ny nosy io sata hapetraka hifehy ny antoko politika io. Tsy hitanisa izay mety ho isan'ny mpandray anjara eny isika, fa ny azo antoka, dia hipetraka ho lalàna io, ary tsy maintsy ho toavin'ny antoko rehetra izay misy eto. Maro ireo nihevitra (...)
  • Matanjaka malemy

    mardi 16 décembre 2008 | Naivo kely |  1070 visites
    Nakatona izany ny fahitalavitra VIVA. Nitombo isa indray ny tantaran'ny haino aman-jery nakaton'ity fitondrana ankehitriny ity ao anaty bokin'ny asa fanaovan-gazety eto Mdagasikara. Ny kabarin'ingahy Didier Ratsiraka izay efa osa sy antitra mitsoam-ponenana any ivelany, no antony nanaovana izao fihetsika izao. Manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny, ka rasina avy hatrany ny fepetra tamin'ny sabotsy alina iny. Gaga ny maro, satria olona efa nandositra any an-tany lavitra any no mbola (...)
  • Tsy sahy miady hevitra

    lundi 15 décembre 2008 | Naivo kely |  902 visites
    Be resaka ambadika fa tsy sahy mifanatrika miady hevitra. Io no tsapa amin'ireo mpanao politika eto Madagasikara. Asa tahotry ny ho resy imasom-bahoaka ve sa mbola tsy zakan'ny demokrasia eto Madagasikara ny ady hevitra ? Raha hitodihana ny tranga niseho teto Madagasikara, dia ny andron'ny Profesora Zafy Albert fony izy teo amin'ny fitondrana no nisy izany ady hevitra nifanatrehana izany. Ny amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy no nanao izany tamin'ny fahitalavim-pirenena. Andro hanaovana (...)
  • Izay mitambatra Ivato

    samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely |  531 visites
    Tapaka tao anatin'ny Filankevitry ny minisitra izany, fa atambatra ho iray ny eny Ivato roa tonta. Ivato Firaisanana sy Ivato Seranana io. Ho tapitra hatreo ny disadisa eo anivon'ireto kaominina roa ireto hoy ny mpitazana rehetra. Zary ho nofy sisa ireo adilahy politika nataon'ny ben'ny tanàna, tamin'ny kaominina mpifanolo-bodirindrina ireto. Nipetraka iny ny lalàna navoakan'ny fanjakana, ny fampiharana sisa andrasana. Ho avy ihany koa ny fivoriana izay ho atao eto amintsika, ka Ivato no (...)
  • Tsy manan-tsafidy

    vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely |  472 visites
    Mafana indray ny ady hevitra politika eto amin'ny tanàna. Mipoitra avokoa ireo antoko efa natory nandritra ny taona maro. Na efa tsy mitoetra intsony amin'ny foto-keviny aza ireny, dia mbola manana ny hevitra hambara kosa ny filoha izay nanorina azy. Ny resaka fametrahana ny sata hifehy ny antoko politika no nanaitra azy ireo tamin'ny torimasony. Rariny izany, satria goavana ity lalàna hifehy ny fikirakirana politika ity. Tora-kovitra ihany anefa ny sasany mandre, fa ho voahilika ao (...)
  • Mani-te hody Ratsiraka

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2145 visites
    Nisesisesy ny fanehoan-kevitra ataon'ny amiraly Ratsiraka ho an'ny vahoaka Malagasy. Fanehoan-kevitra amin'ny alàlan'ny sary «vidéo» sy antso an-tariby miainga avy Paris. Ny tsy fahombiazan'izao fitondran-dRavalomanana izao amin'ny lafiny rehetra no ventesiny amin'izany. Ny mbola fisian'ny delestazy manerana ny faritra maro eto amintsika toy ny any Antsiranana sy Fianarantsoa no nanakianany ity fitondrana ity indray. Efa nidina ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, (...)
  • Izay manan-tsofina aoka ihaino

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  641 visites
    Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tonga ny fotoana afahana mihaino ireo tsy mitovy hevitra rehetra eto amin'ny firenena. Tsapa amin'ny antso avo ataon'ny filoham-pirenena momba ny handinihana haingana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Io tokoa angaha ny làlana ahafahana miroso any amin'ny fampandrosoana, satria raha tsy tafapetraka ny fitoniana politika, dia ho zava-poana avokoa ny ezaka rehetra izay ho atao. Raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, (...)
  • Làlan-dririnina

    mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely |  596 visites
    Tafapetraka ny valabe ao Ihorombe. Omby amin'arivony no hitoby ao. Ho fiarovana ny omby amin'ny hafitsoky ny dahalo no tena tanjon'ny fanjakana tamin'izao hetsika izao, ka roa taona monja no faharetan'ny asa, dia vita. Velaran-tany mahatratra 5000 hekitara no misy ity valabe ity. Voalaza fa ho azo antoka ny fahasalaman'ny omby, satria hisy mpitsabo hanara-maso izany ao. Ho fantatra ihany koa ny fiavian'ny omby rehetra, ary halalaka ny fanondranana omby rehefa tsy hita taratra firy intsony (...)
  • Ravalo no olana

    lundi 8 décembre 2008 | Naivo kely |  1683 visites
    Vaky ny nafenina teo amin'ny mpanohitra. Ravalo no olanay hoy ingahy Daniel Ramaromisa ny asabotsy teo tetsy Andravoahangy ambony. Nandritra ilay fivoriana niantsoan'ny antoko AKFM ireo antoko politika maro teto amin'ny nosy no nivoahan'io resaka io. Tsy marisika ny hiditra amin'ilay fiantsoan'ny filoham-pirenena hijerena ny lalàna hifehy ny antoko politika ry zareo mpanohitra. Na dia io aza no fitakian'ny antoko maro nandritra ny taona maro, dia notsipahina indray ny fandinihana azy, rehefa (...)
  • Tapitra ny lera

    vendredi 5 décembre 2008 | Naivo kely |  952 visites
    Nifarana indray ny 72 ora nanarian'ny kaominina ny fako tetsy Anosipatrana. Toerana izay natao hanariana fako vonjy maika io, nefa dia efa mivangongo eny sahady ny loto maro isan-karazany, ka mampitaraina ny maro. Telo andro nandraisan'ny kaominina eto andrenivohitra fanampahan-kevitra hentitra hanadiovana ny tanàna, taorian'ny filazana fa nisy olona matin'ny pesta teny Ambohimanarina. Na dia nilaza aza ny teo anivon'ny BMH fa tsy pesta no nahafaty ilay olona fa aretin-kibo, dia ny hita (...)
  • Matin’ny fahafinaretana

    mardi 2 décembre 2008 | Naivo kely |  1147 visites
    Nihetsika ny faritra maro omaly momba ny andro natokan'ny firenena mikambana hiadiana amin'ny SIDA. Tao anatin'ny lanonana maro isan-karazany ireny no nahatora-kovitra ny rehetra nandre ny tarehi-marika eran-tany amin'ny olona voan'izy io. Na lahy na vavy, eny fa na hatramin'ny zaza any ambohoka aza dia voan'io avokoa. 1tapitrisa no isan'ny olona voan'io sida io ankehitriny, ary ny efa matiny tsy lazaina intsony. Raha hitodika eto Madagasikara kosa isika, dia voalaza fa olona 1 amin'ny 100 (...)
  • Volabe fa tsy hay trandrahina

    lundi 1er décembre 2008 | Naivo kely |  1094 visites
    Hanomboka ny asa etsy Andralanitra. Ho lasa toerana fialam-boly indray izany afaka herintaona ilay toerana fanariana fako sy nampikolay ny maro etsy Andralanitra. Miditra antsehatra mihitsy ny mpamatsy vola toy ny frantsay amin'ny alalan'ny AFD amin'ny fanomezana vola ho enti-mikarakara io faritra nampitondra takaitra ny maro io. Tsara ny firosoana amin'ny fivoarana toy izany, saingy toerana azo natao ho fitadiavam-bola tsara io faritra io raha haintsika no nitrandraka ny fako teo. Ao (...)
  • Adino ilay 4 L isan-tokantrano

    samedi 29 novembre 2008 | Naivo kely |  1337 visites
    Raha vao nandray ny fahefana ny filoha Ravalomanana taorian'ny 2002 dia nanambara fa faraharatsiny mba mahazo 4L isan-tokantrano ny malagasy rehetra. Faly ny rehetra satria ity vao tena fahombiazana. Isika rehetra no mitsara valo taona aty aoriana na nahazo izany ny ankamaroantsika na nivarotra ny kely teo am-pelantanana. Niova indray io ankehitriny, ka lasa scotera maro be indray no nafarana. Tsy hangalana haba io, fa ny hirariana ny hananan'ny malagasy tsy vaky volo izany moto izany ho (...)
  • Hihinana sa hiandry laoka ?

    vendredi 28 novembre 2008 | Naivo kely |  868 visites
    Asakasakareo mbola tsy ho avy amin'ny fiantsoako manaraka. Tenin'ny filoha Ravalomanana ny alarobia teo io raha namarana ny loabary an-dasy teny Iavoloha ny tenany. Momba ny lalana hifehy ny antoko politika eto Madagasikara no nasiany teny tamin'io. Hiantso ny antoko rehetra aho atsy ho atsy, izay handinihana ny fitsipika hifehy izany antoko politika eto amintsika izany. Maro no naneho ny heviny momba io izay nankasitraka. Isan'io ingahy Manandafy Rakotonirina sy ny Jeneraly Ramakavelo. Ny (...)
  • Mamboly korontana

    jeudi 27 novembre 2008 | Naivo kely |  1355 visites
    Any amin'ny fanovana organigrama nataon'ny ben'ny Tanàna teto an-dRenivohitra indray izao ny resaka. Samy milaza izay mba vetsovetsony ny rehetra. Ao ny faly, ary tsy vitsy ihany koa ny tezitra. Feo heno manerana ny Renivohitra io omaly. Ny tena mampalahelo, dia ny fanitaran'ny sasany ho any amin'ny resaka foko. "Nahoana hoy izy ireny no Merina avokoa no manodidina an'ingahy Ben'ny tanàna, nefa ny foko manontolo no nifidy an'i Andry Rajoelina. Renivohitr'i Madagasikara manontolo ity, ka tsy (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS