Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 22h15
 

Teny zato, kabary arivo

Mahamenatra

vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely

Te-hiaka-dapa sa maniry ny mba ahazo famatsiam-bola ho an’ny antoko politika ? Tsapa io nandritra ilay fihaonana natao teny Iavoloha farany teo nandinihana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Nipoitra tany amin’ny toerana niafenany avokoa mantsy ireo anarana antoko politika maro samy hafa. Eny misy ny mbola tsy re mihitsy hatramin’izay, ary tao ihany koa anefa ireo efa noheverina fa maty, saingy nitsangana ankehitriny fa hisy dinika hiarahana amin’ny filoha Ravalomanana.

Mahamenatra, satria misy tsy tahotra tsy henatra ny misandoka anaran-antoko tany aloha tany, nefa tsy tao amin’io fivoriana io ny tena mpikambana. Endrika iray mandoto ny rivotra politika eto amintsika ny tahaka izao. Niraraka izany ilay volabe Ar 400 tapitrisa avy any amin’ny filoha, izay volam-panjakana nambara fa atolotra azy ireo. Faly ny maro, satria mba ahazo ny anjarany ireo milaza ho antoko politika sasany.

Hitaiza sy hanabe vahoaka, ary hametraka ny tetikasany eo amin’ny fianam-pirenena ny antoko. Ny tsapa anefa, dia vitsy tamin’ireo antoko nandray anjara no mba nahavita nanao izany. Tsy ho gaga isika raha toy izao ny sehatra misy an’i Madagasikara raha ity lafiny iray ity no asian-teny. Mpivady sy ny zanany no manangana antoko, dia efa misalotra ho antoko politika ry zareo. Misedra fifidianana aza tsy sahin’ny hafa atao. Ny foto-kevitra hijoroany tsy mazava, fa ilay anarana no zary entina hitadiavam-bola etsy sy eroa. Tsy ho gaga isika raha maro ny mpikaramanady politika eto Madagaikara. Sa izay tokoa no atony hametrahana iny lalàna hifehy ny antoko politika iny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS