Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h12
 

Teny zato, kabary arivo

Matin’ny fahafinaretana

mardi 2 décembre 2008 | Naivo kely

Nihetsika ny faritra maro omaly momba ny andro natokan’ny firenena mikambana hiadiana amin’ny SIDA. Tao anatin’ny lanonana maro isan-karazany ireny no nahatora-kovitra ny rehetra nandre ny tarehi-marika eran-tany amin’ny olona voan’izy io. Na lahy na vavy, eny fa na hatramin’ny zaza any ambohoka aza dia voan’io avokoa. 1tapitrisa no isan’ny olona voan’io sida io ankehitriny, ary ny efa matiny tsy lazaina intsony.

Raha hitodika eto Madagasikara kosa isika, dia voalaza fa olona 1 amin’ny 100 no voa tamin’ny fitiliana natao. Tany Antsohihy, no voalaza fa nisian’io tranga io tamin’ny olona 900 teo ho eo. Tsy asian-teny betsaka ny fiavian’io tranga iray io, fa ny azo ambara, na dia efa maro aza ny fambara ny fisian’io eto amintsika, dia tsy mahasakana ny hafa hanao ny filana ara-nofo amin’ny karazan’olona io, na ihany koa biby. Asa aleon’izy ireo tokoa angaha maty amin’ny fahafinaretana ? Mbola tsy ahitam-panafany ny fanefitry ny sida na dia maro aza ny olona milaza fa mahasitrana izany. Arakaraky ny fanentanana atao no mampiroboro ny filana ataon’ny hafa. Tsy ho gaga isika raha mitombo andro aman’alina ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. Ny fahantrana ve no mahatonga izany, sa ny gasy mihitsy no tia revirevy ? Isika rehetra no miara-mamaly izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS