Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Teny zato, kabary arivo

Làlan-dririnina

mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely

Tafapetraka ny valabe ao Ihorombe. Omby amin’arivony no hitoby ao. Ho fiarovana ny omby amin’ny hafitsoky ny dahalo no tena tanjon’ny fanjakana tamin’izao hetsika izao, ka roa taona monja no faharetan’ny asa, dia vita.
Velaran-tany mahatratra 5000 hekitara no misy ity valabe ity. Voalaza fa ho azo antoka ny fahasalaman’ny omby, satria hisy mpitsabo hanara-maso izany ao.

Ho fantatra ihany koa ny fiavian’ny omby rehetra, ary halalaka ny fanondranana omby rehefa tsy hita taratra firy intsony izany hatramin’ny taona 1997. Raha ny hita anefa, dia maro amin’ny mponina manodidina iny faritra iny no tsy mazoto hametraka ny ombiny ao. Ny antony, dia tsy tafapaka any amin’izy ireo ny tombontsoa ho azo amin’ity valabe ity. Zatra ny làlan-dririnina ny sasany, ka aleony ihany, mandefa ny ombiny eny an-kijàna. Harena ny omby, ary kolontsaina, ka mahasarotiny ny mponina any amin’iny faritra iny. Hiteraka fizarazaran-kevitra eo amin’ny samy mpiompy ny toy izao, ka raha tsy misy haingana ny fanazavan-kevitra maika, dia mbola ny omaly tsy miova ihany no hanjaka any an-toerana. Tsara ny manamarika fa hametrahana sehatra toy izao avokoa ny Vakinankaratra, Belo sur Tsiribihina, Menabe, sy SAVA.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS