Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h25
 

Teny zato, kabary arivo

Singam-bolo nandavo ny vositra

mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely

Raikitra ny ady hevitra etsy Iavoloha. Misy ny vonona, ary misy ny ninia tsy nihaino ny antso nataon’ny filoha Ravalomanana. Tsy mbola hay aloha hatreto, izay hevitra hivoaka ho lalàna ao, fa ny tsapa, dia nahasarika ny ady hevitra politika maro teto amin’ny nosy io sata hapetraka hifehy ny antoko politika io.
Tsy hitanisa izay mety ho isan’ny mpandray anjara eny isika, fa ny azo antoka, dia hipetraka ho lalàna io, ary tsy maintsy ho toavin’ny antoko rehetra izay misy eto. Maro ireo nihevitra fa handray anjara amin’ity dinika ity, saingy nisy ilay singam-bolo nandavo ny vositra momba ny fikatonan’ny VIVA tele iny, ka nahatonga ny antoko maro nihemotra tamin’ny ora farany. Midika izany, fa mifampiandry kendry tohina ny samy mpanao politika rehetra. Ny fanjakana miandry izay heveriny fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fomba fijeriny, ary ny mpanao politika miandry ny fanjakana hisolifatra. Tsy hisy raharaha ho vanona eto, raha toy izany hatrany no hitoetra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Dia tsy ho gaga angamba isika, raha hilaza ny ankamaroan’ny vahoaka hoe leo politika izahay. Izay tokoa ve anefa no tena marina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS