Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Teny zato, kabary arivo

Fisamborana ?

samedi 20 décembre 2008 | Naivo kely

Resabe teto an-dRenivohitra omaly ny feo niely tetsy sy teroa fa hosamborina hono ingahy Andry Rajoelina. Iza no hisambotra azy, ary inona no antony ? Io no feo niraradraraka tetsy sy teroa omaly tontolo ny andro. Mialoha ny nahafantarana ny marina avy amin’ny Fanjakana dia efa niainga sahady ny tora-po teny rehetra teny, ka zary tsy voafehy ny tendrom-po tsy mba namana. Hikohamaina aza atao, maika fa hisy rehoka, hoy ny fomba fiteny izay. Tsapa tamin’io omaly maraina io, fa misy mihitsy ny andian’olona maniry mafy ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Iny resaka iny no làlana iray entina hanetsehana ny vahoaka teto Iarivo, nefa soa fa mahay mandinika ny vahoaka ka samy namakafaka ny tena marina vao mandray fepetra.

Toe-javatra mampalahelo hatrany no indro fa miseho eto amintsika, vokatry ny tsy fahaiza-mandinika eo amin’ny ankolafin-kery samy hafa. Iza no tsy mahatsapa ny vokatry ny fihetsika tsy voahevitra teto amin’ny firenena hatramin’izay. Ny taona 1972, dia io mbola tsy voaharina hatramin’izao io ny fahapotehana vokatry ny korontana tamin’izany. Teo ihany koa ny hambara ho tolona tamin’ny 1991 ireny, izay nahapotika ny toe-karena Malagasy. Ny raharaha 2002 izay vao niarahana nahita ny vokany. Dia izao indray no mbola misy maniry ny hiverenan’ireny rehetra ireny. Be ireo very seza vokatry ny korontana hatramin’izay, ka zary tsy mahita ny ho harapaka intsony ankehitriny. Atao avokoa izay hetsika mifanohitra amin’ny demokrasia rehetra eto, sao mba tafaverina amin’ilay toerana be voninahitra. Dia ireny hita omaly ireny ny feo ninia nahely tetsy sy teroa, mba hanairana ny hambom-pon’ny mpifidy eto an-dRenivohitra. Mino isika fa samy ahay hitandrina ny soatoavina Malagasy isika rehetra, ka ny filaminana no ahazo vahana eo amin’ny fiainam-bahoaka eto amin’ny tanàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS