Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Teny zato, kabary arivo

Izay mitambatra Ivato

samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely

Tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra izany, fa atambatra ho iray ny eny Ivato roa tonta. Ivato Firaisanana sy Ivato Seranana io. Ho tapitra hatreo ny disadisa eo anivon’ireto kaominina roa ireto hoy ny mpitazana rehetra. Zary ho nofy sisa ireo adilahy politika nataon’ny ben’ny tanàna, tamin’ny kaominina mpifanolo-bodirindrina ireto.

Nipetraka iny ny lalàna navoakan’ny fanjakana, ny fampiharana sisa andrasana. Ho avy ihany koa ny fivoriana izay ho atao eto amintsika, ka Ivato no karazan’ny renivohitry i Madagasikara handray ny lanonana. Io ilay nantsoin’ny maro hoe adino hatreo ny kaominina Antananarivo renivohitra. Velon-kafaliana ny vahoaka, saingy be fanahiana ihany. Iza amin’ny kaominina roa tonta tokoa no hisalotra ny anarana sy ny toerana ? Voalohany amin’io, dia ho atao Ivato Seranana ve sa atao Ivato Firaisana ny anaran’io kaominina io ? Ny ben’ny tanàna avy aiza no hitondra ny baolina ? Sa hametrahana delegasiona manokana hitondra ny kaominina ? Tsy hay intsony, fa ny tsapa, dia hiova ny tanàna. Hiova toy izany koa ny fiainan’ny mponina. Olona iray mantsy no hifehy azy ireo, ka vita hatreo ny zarazarao hanjakana. Ny asa ataon’ny fanjakana eny an-toerana ihany koa efa maro, ka rariny raha ny vahoaka manontolo misalotra ny anaran’ Ivato no higoka ny mamy. Ity tokoa no tonga amin’ilay fiteny hoe izay mitambatra Ivato, fa izay misaraka, aleo hitan’ny havany eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS