Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h24
 

Teny zato, kabary arivo

Dadabe Noely roa

lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely

Ny mizara kilalao sy vato mamy no nahafantarana ny dadabe Noely hatramin’izay, dia misy kosa dadabe Noely mizara hevitra any amin’ny vahoaka ankehitriny. Dadabe Noely roa izy ireo, na dia heverina fa tsy mbola dadabe aza raha ny hatanorany no jerena.

Ny dadabe noely iray, dia maneho hevitra matetika rehefa miseho amin’ny haino aman-jery. Isaky ny alahady hariva ihany koa dia miteny izy. Ny filoham-pirenena io. Manambara ny ezaka natao sy ny tsy maintsy mbola hatao ny lehilahy. Fa nisy dadabe noely hafa ihany koa saika miteny foana tao ho ao, satria angaha voan’ny tsindry hazo lena ny orinasany, ka io no làlana nidirany ho isan’ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko mpanohitra. Na dia maniry toy ny bozaka aza ny fanehoan-kevitra politika isan-karazany, dia ny azy mirahalahy mianaka ireo no tena hifantohan’ny sain’ny maro. Omaly dia samy nanakoako tamin’ny haino aman-jery indray ny feon’izy mirahalahy ireto. Ny an’i Andry Rajoelina tamin’ny onjam-peo tsy miankina ny atoandro, ary ny an’ny filoham-pirenena kosa tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, izay misy ny « tenin’ny filoha » isaky ny alahady. Hevitra samy manana ny azy ireo, saingy ny vahoaka kosa no mandray izay tandrify azy. Na dia tsapan’ny maro aza fa misy afo miotrika eo amin’ny raharaham-pirenena ka miandry ny rivotra hitsoaka hampirehitra azy, dia ny fety aloha izao no masaka ao amin’ny fiainan’ny vahoaka. Ny antony, dia tsy hisy ampiditra iray kapoaka any anaty vilaniny ny fifandirana tsy misy farany. Asa aloha fa ny efa vita aza toa be ny nanenina, koa iza indray no mbola ho voasariky ny adilahy politika tsy misy farany eto ? Dia miankina amin’ireo dadabe noely roa ireo ve no ho avy politika eto ? Asa fa mirary fety sambatra e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS