Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Teny zato, kabary arivo

Ravalo no olana

lundi 8 décembre 2008 | Naivo kely

Vaky ny nafenina teo amin’ny mpanohitra. Ravalo no olanay hoy ingahy Daniel Ramaromisa ny asabotsy teo tetsy Andravoahangy ambony. Nandritra ilay fivoriana niantsoan’ny antoko AKFM ireo antoko politika maro teto amin’ny nosy no nivoahan’io resaka io.

Tsy marisika ny hiditra amin’ilay fiantsoan’ny filoham-pirenena hijerena ny lalàna hifehy ny antoko politika ry zareo mpanohitra. Na dia io aza no fitakian’ny antoko maro nandritra ny taona maro, dia notsipahina indray ny fandinihana azy, rehefa tonga tokoa ny fotoana. Hanangana komity kely hanao tatitra any amin’ny vahoaka no tanjon’ny mpanohitra sasany. Ireo indray no hakana hevitra amin’ny endrika izay heverina ny hanohizana ny dinika ? Tsy fantatra anefa hatreto, na vahoaka izy io na iza, fa ny lamin’asa atolotr’i Marc Ravalomanana mihitsy no tsy zakan’ny vavonin’ny mpanohitra. Tsy ho gaga isika, raha maro no maniry ny hiverenan’ny fampianarana ho teny gasy no enti-mampianatra, nefa raha tsy nankasitrahan’ny sasany indray io rehefa notanterahin’ity fitondrana ity. Ny loabary an-dasy tsy natrehana, na dia nangitakitaka te-hanatrika izany ihany aza ny hafa. Io indray ny sata hifehy ny antoko politika, izay nolavin’ireto ivelan’ny fitondrana ireto. Fijerena olona no masaka eto, fa tsy fitiava-tanindrazana. Tsy izao ve no fotoana tokony hanambarana ny hery rehetra afahana mamoaka ny laminasa politika rehetra mba ho voarakitra ao anatin’izay lalàna hivoaka eo ? Farafaharatsiny mba ho raiketin’ny tantara na dia ho sanatria aza ny hevitry ny mpitondra no tsy maintsy ho tanterahina ? Tsy ho gaga isika raha mbola izao no toerana misy ny firenena, ary tsy atao mahataitra ihany koa ny olona raha hilaza fa leo politika izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS