Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h24
 

Teny zato, kabary arivo

Ahodino ho vola

samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely

Manankarena isika eto Madagasikara, ary be no milaza fa sarotra ho an’ny Malagasy ny hisian’izany fahasahiranana ara-tsakafo izany. Mitombina io raha ny fahitana ny fitobaky ny sakafo namidy nandritra ireny fety ireny no jerena. Ny vola indray no tsy maharaka, hoy ny fomba fiteny.

Mbola be anefa no tsy afa-po amin’ny vidim-bokatra azony, ka mitaraina lava fa tsy mahavelona ny asa fambolena. Mety ho marina izany amin’ny hafa, nefa azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ny saina, manita-kevitra amin’ny zavatra hafa. Manangana orinasa madinika na salasalany, izay afaka manodina ireny voankazo ireny ho sakafo ambifotsy. Vola azo vetivety io, ary azo atao tsara ny manondrana izany any ivelany. Eny fa ireny anana ireny aza, dia vidian’ny vahiny lafo any ivelany any. Afaka mandranto fahaizana ao anatin’ny volana vitsy ihany koa ny tantsaha mamadika ireny vokatra ireny ho sakafo azo tehirizina. Be ireo vahiny no manafatra vokatra eto Madagasikara, raha tsara kalitao ny ilay entana. Inona no tsy hanaovantsika izany ? Raha ny tsapa dia matahotra ny ankamaroan’ny olona ny mindrana vola any amin’ny banky. Ny zana-bola alain’ny banky dia efa mety hihena, fa ny fahasahiana eo amin’ny tsirairay sisa andrasana. Ahodino ho vola ny vokatra, fa ny ankamaroan’ireo orinasa goavana eto amintsika dia niainga tamin’izany avokoa. Raha tsy nahitana tombony ny fambolena, dia mikaroha zavatra hafa ho fidira-mbola fanampiny e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS