Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h59
 

Teny zato, kabary arivo

Matanjaka malemy

mardi 16 décembre 2008 | Naivo kely

Nakatona izany ny fahitalavitra VIVA. Nitombo isa indray ny tantaran’ny haino aman-jery nakaton’ity fitondrana ankehitriny ity ao anaty bokin’ny asa fanaovan-gazety eto Mdagasikara. Ny kabarin’ingahy Didier Ratsiraka izay efa osa sy antitra mitsoam-ponenana any ivelany, no antony nanaovana izao fihetsika izao. Manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny, ka rasina avy hatrany ny fepetra tamin’ny sabotsy alina iny.

Gaga ny maro, satria olona efa nandositra any an-tany lavitra any no mbola heverina fa mety hanohitohina ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara. Raha ny asa vitan’ny fitondrana ankehitriny, tanisaina amin’ny haino aman-jery lava isan’andro izao, dia tokony tsy ahataitra ny fanjakana izay kabary fanaratsiana any. Ny vahoaka aza efa kivy mahita ity kapitenin-tsambo nahavita nandao ny vahoaka mpiara-dia taminy nandritra ny ady sarotra, ka ireo mbola migadra any am-ponja ireny ny ankamaroan’ny namany. Ahavita inona eto intsony ny olona tahaka izany ?

Dia nomena endrika ratsy indray ilay fitondrana efa nanomboka namiratra ny asa natao teo. Fanjakana hambara fa matanjaka, satria izao tontolo izao aza manaiky azy matoa atao aty amintsika ny fivoriana atao amin’ny herintaona sy ny frankaofaonia amin’ny taona 2010. Kivy ny maro, satria hay ve ka mbola atahorana ihany i Ratsiraka e ? Olona efa antitra tsy sahy mitodi-doha eto Madagasikara no nandravana orinasa mikirakira ny haino aman-jery. Dia mba ahoana izany izao ireo mpiasa tratry ny somazy teknika ireo ? Matanjaka malemy ity fitondrana ity, hoy indray ny hafa. Miara-manaiky isika fa raha i Ben Laden no manaratsy ny fitondrana Amerikana amin’ny fahitalavitra iray ao Etazonia, mety hikatona ny haino aman-jery nanao izany. Tsy toy izay kosa anefa ny amiraly Ratsiraka fa filoham-pirenena resy tamin’ny fifidianana no niteraka korontana politika. Raha hiverina eto izany ingahy io hanao ahoana ny hanjo izay mpanao gazety mamoaka ny fahatongavany ? Sa hipetraka ho lalàna ihany koa ny tsy fahazoana mamoaka vaovao momba ity olona efa kokan’ny fahanterana tsy ahavita afa-tsy ny vavabe ity sisa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS