Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Teny zato, kabary arivo

Solika vita gasy

lundi 29 décembre 2008 | Naivo kely

Mihazakazaka ny mpandraharaha vahiny hidrandraka ny harena eto Madagsikara. Tsy asiana resabe amin’izany intsony ity mitranga ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Harena tsy hita pesipesenina no ahondrana any ivelany, izay tsapa fa kely sy bitika ny mba tombontsoa tafajanona ho an’ny Malagasy.
Miditra amin’ny fitrandrahana ny solika any Tsimiroro sy Bemolanga ihany koa ny vahiny ankehitriny. Voalaza fa solika 25000 litatra isan’andro aloha hatramin’izao no efa azo ao Tsimiroro iny, fa antenaina hiakatra hatrany amin’ny 100000 litatra isan’andro atsy ho atsy. Hatrany amin’ny 100 km miala ny morontsiraka ao Mahajanga any am-povoan-dranomasina any no hitrandrahana solika eto amintsika, izay efa miditra an-tsehatra ihany koa ny TOTAL amin’izany asa izany.

Solika vita gasy io, izay antenaina fa hiparitaka eto amintsika izany, ka ahafahana hampihena ny fanafarana solika any ivelany. Hidina ihany koa ny sarany eto an-toerana, ka hidina miaraka amin’io ny vidim-pianana izay efa mampikaikaika ny maro. Ny tany mpamokatra « Pétrole » hono dia saika hanjakan’ny ady an-trano, toy ny hita any ivelany. Dia ho sanatria izay tokoa ve no hitranga eto ? Iza tokoa no mahita raha izay no mampihetsika indray ny mpanohitra hikasa hanao zavatra hafa eto amin’ny fireneny ? Dia ho hita eo izany, fa ny antenain’ny rehetra, dia mba isika tompon-tany no tena ahita vokany lehibe amin’ireo harena trandrahan’ny vahiny eto, fa tsy ho sanatria ho tompony mangatak’atiny lava izao, ka ny vahiny matavy, fa isika kosa kaozatina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS