Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h53
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy manan-tsafidy

vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely

Mafana indray ny ady hevitra politika eto amin’ny tanàna. Mipoitra avokoa ireo antoko efa natory nandritra ny taona maro. Na efa tsy mitoetra intsony amin’ny foto-keviny aza ireny, dia mbola manana ny hevitra hambara kosa ny filoha izay nanorina azy.

Ny resaka fametrahana ny sata hifehy ny antoko politika no nanaitra azy ireo tamin’ny torimasony. Rariny izany, satria goavana ity lalàna hifehy ny fikirakirana politika ity. Tora-kovitra ihany anefa ny sasany mandre, fa ho voahilika ao anatin’ny fanaovana fihetsiketsehana ara-politika ny tsy miankina. Efa misy mandrangaranga an’io any. Asa na misy olona tsy ao anaty antoko politika mahazo sehatra hafa atahorana eto na tsia. Ho fampiharana ny jadona ihany koa ny fampihenana ny isan’ny antoko politika, satria samy manana ny tetikasam-pampandrosoana avokoa ny antoko, ka rariny raha omena sehatra. Maro ireo voavinavina mety handrafitra io lalàna io, fa ny vahoaka kosa etsy ankilan’izay tsy manan-tsafidy. Inona tokoa hambarany eo, satria ny hanina honaniny anio aza manahirana azy. Ho hita eo ny fahaiza-miray hanan’ny antoko sy fikambanana mitovy fomba fijery, fa izay mitambatra mahazo fahefana, fa ny misaraka lasa kilalaon’ny mpanao politika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS