Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Teny zato, kabary arivo

Tapitra ny lera

vendredi 5 décembre 2008 |  952 visites  | Naivo kely

Nifarana indray ny 72 ora nanarian’ny kaominina ny fako tetsy Anosipatrana. Toerana izay natao hanariana fako vonjy maika io, nefa dia efa mivangongo eny sahady ny loto maro isan-karazany, ka mampitaraina ny maro.

Telo andro nandraisan’ny kaominina eto andrenivohitra fanampahan-kevitra hentitra hanadiovana ny tanàna, taorian’ny filazana fa nisy olona matin’ny pesta teny Ambohimanarina. Na dia nilaza aza ny teo anivon’ny BMH fa tsy pesta no nahafaty ilay olona fa aretin-kibo, dia ny hita aloha hatreto, dia misamaritaka ny ankamaroan’ny mponina amin’ity loto mameno tanàna ity. Ny isam-batan’olona efa samy manao izay ho afany amin’ny fanadiovana ny tandrify azy avy. Ny hetra ihany koa mandeha antsakany sy andavany izay alaina amin’ny vahoaka entina hanatsarana ny tanàna. Tapitra ny lera, ka tsy misy tokony hialana andraikitra intsony izao. Vitao ny adidy napetraky ny vahoaka aminareo mpitantana, fa aoka izay ny faniliana andraikitra. Tsy vahoaka hiaina ao anatin’ny loto no hitsena ny fetin’ny krismasy sy ny taona vaovao. Olona manana ny fahaizany avokoa ireo tafapetraka ao amin’ny kaominina eto andrenivohitra ireo, ka tsy hita intsony izay sakana amin’ny fampandrosoana. Sa hambara indray fa olona vao miana-draharaha ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ity kaominina ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS