Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h20
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Tohano tsara, tohano mafy

    mardi 9 septembre 2008 | Naivo kely |  524 visites
    Nihiratra kely indray ny masom-panahin'ny mpitia baolina kitra Malagasy raha nandresy ny ekipa avy atsy Botswana ny Barean'i Madagasikara. Ekipa efa tsy nisy mpitsetra intsony raha ny avy eto Madagasikara, ka na ireo mpijery baolina malagasy aza, zara raha tonga nanohana ny antso. Nandresy 1 sy 0 isika. Hiatrika ny dingana manaraka, izay heverina fa ho maozatra no miandry ny mpilalao Malagasy, satria ny ekipa avy atsy Côte d'Ivoire no sakana farany tsy hiakarana any amin'ny CAN sy ny Mondial (...)
  • Mamono afo

    lundi 8 septembre 2008 | Naivo kely |  713 visites
    Raikitra ny fivarotana vary mora eny anivon'ny fokontany. Amidy 950 ariary ny iray kilao. Mahazo izay ilaina ny olona tsirairay. Natao izao mba hanampiana ny mponina manoloana ny fidiran'ny mpianatra. Nisy nandika zavatra hafa anefa izao famarotan'ny TIM vary isaky ny fokontany izao. Mamono afo hoy ny sasany, satria manomboka mahamay ny raharaham-pirenena eto andrenivohitra. Raha nanao fanazavana mikasika ity famarotana vary ity kosa anefa ireto antoko TIM ireto, dia nilaza fa efa ela no (...)
  • Be kenona

    samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely |  688 visites
    Tsy mety ho tapitra ity hambara ho fingana atao amin'ny kaominina eto andrenivohitra ity. Toa mankaleo ny hafa mihitsy ny mandre ny fitarainana isaky ny miposaka izao ny masoandro. Ny toby finatsonan'ny fiarakodia, sy ny fanagiazana ny vola no atao litania andro aman'alina. Fingana tsy ahafahan'ny ben'ny tanana miasa hono ireo. Hambara fa mipoitra indray ny resaka Samva izay tsy hidiran'ny kaominina intsony ny fiandraketana ny asa ataony. Dia inona indray ny fitarainana rahampitso? Te (...)
  • Nankaiza ny mpanao sonia sasany ?

    vendredi 5 septembre 2008 | Naivo kely |  724 visites
    Izay voasoratra dia voasoratra. Io no azo andikana ilay fanambarana nataon'ny zoky olona teto Antananarivo ny talata lasa teo. Nitohizany tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety omaly tetsy amin'ny La Rotonde Besarety izany. Tsy niova ny fehin-kevitra noraisina tao, dia ny hijerena ny tombontsoan'ireo olona naneho ny safidiny teto Antananarivo renivohitra. Tsy hisy ahita tombontsoa amin'ny korontana, ary ilaina ny mifampihaino. Mijoro amin'ny maha-ray aman-dreny azy ireto zoky olona (...)
  • Antitra mampiady kalo

    jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely |  617 visites
    Na eo aza ny fahanterana, ny raharaham-pirenena tsy azo adino. Nifoha tamin'ny torimasony ny ankamaroan'ireo zokiolona, izay hita fa olona efa nitana andraikitra teto amin'ny firenena avokoa. Ny hisian'ny vaha-olana haingana, mba hanamafisana orina ny filaminana, ahafahan'ny vahoaka miaina am-pahatoniana sy manatanteraka ny adidy manandrify azy mba hialana amin'izao fahantrana izao. Io no votoatin'ny fanambarana izay nataon'izy ireo ny talata lasa teo. Antitra mampiady kalo, hoy ny hafa ka (...)
  • Nivadika ny rasa

    mercredi 3 septembre 2008 | Naivo kely |  1042 visites
    Vitsy tamin'ireo mpitarika tolona nandritra ny raharaha 2002 no tsy tafiditra am-ponja amin'izao taona 208 izao. Maro izy ireo, ka tao no nandeha nampandry tany, ary tao kosa ireo nanentana olona isaky ny ministera, ary nilahatra tetsy amin'ny kianjan'ny 13 MAI. Samy manana ny antony hitazomana azy am-ponja avokoa izy ireo, ary misy mbola hanohy ny figadrany hatramin'ny 2015. Ny resaka fikomiana amin'ity fitondrana nampetrany ity no hakamaroan'ireo voasazy. Asa na ny fomba fijery no samy (...)
  • Mitomandavana

    lundi 1er septembre 2008 | Naivo kely |  1042 visites
    Feno mpanao politika sy mpanongam-panjakana indray ny fonja iny herinandro iny. Tsy hiverenana lava eto ny momba ireo manamboninahitra toa an-dry Bôlô sy ry Henri Lecacheur. Fanohintohinana ny filaminam-bahoaka anatiny sy fikasana hanongam-panjakana no vesatra hiampangana ireo olona ireo. Nahatratra ampolony ireo tafiditra etsy Tsiafahy sy Antanimora iny herinandro iny. Ady hevitra maro no mipetraka manoloana izany, satria maro no milaza fa raharaha tadiavina ny azy ireo. Tsy vitsy ihany (...)
  • « Sinema malagasy »

    samedi 30 août 2008 | Hery A. |  693 visites
    Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon'ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon'ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha (...)
  • Tokony ho matotra ny ben’ny tanàna

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  784 visites
    Mihazakazaka ny asa atao eto Madagasikara. Manana andraikitra lehibe amin’io ny eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Midika asa goavana ny anton’ny nanakambana ireo ministera roa ireo ho iray. Manana andraikitra goavana eoanivon’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina ity ministera ity. Ilaina ny fidinan’ny fanjakana eny anivon’ny vahoaka mijery sy manara-maso izay filan’ny mponina eoamin’ny foto-drafitrasa isan-karazany. Ilaina noho izany ny fiaraha-miasan’ny (...)
  • Hitsikitsika tsy mandihy foana

    jeudi 28 août 2008 | Naivo kely |  752 visites
    Manomboka mitsoaka ny rivotra politika, izay handrehitra ny afo niotrika. Tsy tongatonga ho azy tokoa izao seho manomboka mahazo vahana eto amintsika izao, dia ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Sasanangy samy hafa, nefa mety ho iray ihany no hiafarany. Miainga amin'ny grevin'ny JIRAMA izany. Ekena fa fitakiana ny tombontsoa ho an'ny mpiasa no hiaingan'ny resaka, nefa ve ho azontsika sary an-tsaina ny mety ho fiafaran'izao ? Miditra an-tsehatra ny CRN, izay manosika ireo (...)
  • Raikitra ny ady saritaka

    mercredi 27 août 2008 | Naivo kely |  819 visites
    Hanao ahoana no hiafaran'ity renivohitra ity ? Mifamahofaho ao an-tsain'ny maro io mahita ny zava-misy eo amin'ny fanjakana foibe sy ny mpitantana eo amin'ny kaominina renivohitra. Efa maro ihany ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny haino aman-jery samy hafa momba azy ity, saingy toa mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny raharaha. Taorian'ny valin-kafatra nampitain'ny teo anivon'ny kaominina ny alatsinainy lasa teo, dia nitondra ny heviny ihany koa ny mpitondra teny eo anivon'ny antoko (...)
  • Tsy ho lasa rano

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  437 visites
    Malaza indray ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka eto Madagasikara. Mihetsika mitady fanampiana hatrany ivelany ny mpitondra fanjakana. Napetraka ny ministry ny Rano, ary maro no nanohina ny antso ireo firenena any ivelany fa hanampy an'i Madagasikara. Ny 15% ny vahoaka Malagasy no tsy mahazo rano fisotro madio, ka ny renirano na rano miangona na lava-drano no hivelomana. Tsy ho gaga isika raha maro no tratrin'ny aretina toy ny lagaly, na areti-kibo ho an'ny zaza vokatry izay rano (...)
  • Tsy afa-bela i Andry Rajoelina

    lundi 25 août 2008 | Naivo kely |  1110 visites
    Diso ny maro raha nihevitra fa ho haingam-pandeha ny TGV. Ny antony dia miseho hatrany ny olana isan-karazany raha nihevitra ny hampandroso ny kaominina aingana ity olom-boafidy. Tsy takona afenina intsony ny resaka politika, ka na dia hambara aza fa tsy hanavahana firehena ny fanampiana atao amin'ireny kaominina manerana an'i Madagasikara ireny, dia tratrin'ny ankivy lava ny eto andrenivohitra. Niainga tamin'ireny olana teo anivon'ny Jirama, ka nanapahana ny jiro sy rano tamin'ny faritra (...)
  • Mbola mandry tsy lavo loha

    vendredi 22 août 2008 | Hery A. |  443 visites
    Mitaky paik'ady iraisana ny tontolon'ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Tato anatin'ny taona vitsy nifanesy dia tena nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Ny halatra omby moa dia efa samy manana ny paik'ady ny isam-paritra. Ao ny nanao ny valabe, iandrasana ny omby tsy ho lasan'ny dahalo. Ao ny vata maintin'ny fandriampahalemana toy ny ao amin'ny faritra Bongolava. Santionany ireo, izay samy mba nahitam-bokany avokoa. Ny olana eto dia ny sakatsakana mahazo ireny hetsika manokana ireny. (...)
  • Tafiditra lalina…

    jeudi 21 août 2008 | Hery A. |  581 visites
    Tafiditra lalina amin’ny tontolo politika ny fiangonana FJKM amin’izao fotoana izao. Faritana amin’ny hoe « fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana », saingy toa ny olon’ny politika avokoa no avy aty amin’ny fanjakana, ary ireo birao sasany dia efa ela nihetezana rahateo, amin’ny fahaiza-miaraka amin’ny politikam-panjakana ; Tsara ny fitazana ny fiaraha-miasa nandritra iny 4 taona lasa iny. Nihazakazaka ny fifanampiana ka saika nanana endrika vaovao ny ankamaroan’ny fiangonana FJKM. Nisy (...)
  • Potika ny maha-Malagasy

    mercredi 20 août 2008 | Penjy R. |  803 visites
    Ny loza faran'izay ratsy rehetra no indro fa mipoitra tsikelikely eto Madagasikara. Raisina amin'io ny loza mahatsiravina nataon'ilay Polisy ny zana-badiny ny faran'ny herinandro teo. Ny zana-badiny izay vao 6 taona monja no naolany sy novonoiny ho faty, ary nariany teny amin'ny fasam-poana etsy Anjanahary. Rà latsaka, tsy maintsy misy todiny. Tratra rangahy, ary tsy maintsy handray ny vokatry ny nataony ity nahavanon-doza ity. Raha tsiahiviny fohy ny tantara, dia ny sabotsy teo no hita (...)
  • Tsy nitsanga-menatra

    mardi 19 août 2008 | Penjy R. |  612 visites
    Raraka avokoa ny atleta gasy nilalao tany Beijign. Midikaio, fa mangoron'entana, ary aty antanindrazana indray mijery ny lalao tohiny any amin'io firenena io. Tsy nampitsanga-menatra ny nahita ny ezaka nataon'ireto mpilalao ireto. Samy nisento tokana ihany koa ny Malagasy maro nahita ny anaran'ny Madagasikara, sy ny sainam-pirenena Malagasy, teo ampiangana nandritra ny hazakazaka 100 metatra misy fefy nataon'i Berliozy. Midika io fa misentyo ho an'ny tanindrazana ny saina sy ny fo rehetra. (...)
  • Lava tongotra

    lundi 18 août 2008 | Naivo kely |  517 visites
    Izay mahavangivangy tian-kavana. Fomba fiteny taloha, nefa mitoetra ankehitriny. Fifaninanana isaky ny kaominina izao no malaza. Samy mandray anjara amin'izany ny ben'ny tanàna mahatsapa fa manana asa mivaingana afaka atao ho modely ao anatin'ny faritra misy azy. Tsara izany, satria fifaninanana masina no atao. Tsy tokony hijanona eo anivon'ny kaominina ihany anefa ny resaka, fa tokony hipaka hatrany amin'ny sefo distrika sy ny lehiben'ny faritra. Raha ny hita tokoa, ny herinandro lasa teo, (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Resy tsy fitsena

    samedi 16 août 2008 | Naivo kely |  527 visites
    Ny resy tsy fihoby. Io no tsapa amin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Manoloana ny faharesena nitranga tamin’ny mpilalao Malagasy, na teo amin’ny baolina lavalava, na ihany koa teo amin’ny lalao baolina kitra, dia ny Barea izany. Raha vao tafakatra tamin’ny sehatra ambonimbony izy ireo, dia saika nanakoako aty amintsika ny zava-bita. Teo ihany koa ny fikarakarana makotroka natao ho an’ireto mpilalao ireto raha vao andeha ho any ivelany hiatrika ny lalao iraisam-pirenena. Resy ry zalahy, ary (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Karakarao fa mivoraka

    jeudi 14 août 2008 | Penjy R. |  817 visites
    Vanim-potoana fialan-tsasatra izao. Maro ny mponina no mandeha any amin'ny faritra maro samy hafa eto Madagasikara. Toy izany koa ireo vahiny izay tonga eto. Isan'ny mampiditra vola vahiny betsaka ny tahaka izany. Mety hampihemotra ny vahiny anefa ny fandrenesana ny fiparitahan'ny aretina maro samy hafa eto. Isan'io ny vokatry ny firaisan'ny lahy sy ny vavy. Ny SIDA sy ny sifilisy izay heno tao ho ao fa mahazo vahana any amin'ny faritra. Manampy trotraka io ny resaka tsy (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS