Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 18h45
 

Teny zato, kabary arivo

Mamono afo

lundi 8 septembre 2008 | Naivo kely

Raikitra ny fivarotana vary mora eny anivon’ny fokontany. Amidy 950 ariary ny iray kilao. Mahazo izay ilaina ny olona tsirairay. Natao izao mba hanampiana ny mponina manoloana ny fidiran’ny mpianatra. Nisy nandika zavatra hafa anefa izao famarotan’ny TIM vary isaky ny fokontany izao. Mamono afo hoy ny sasany, satria manomboka mahamay ny raharaham-pirenena eto andrenivohitra.

Raha nanao fanazavana mikasika ity famarotana vary ity kosa anefa ireto antoko TIM ireto, dia nilaza fa efa ela no nanomanana ity famarotana vary ity. Saika fitaovam-pianarana no namidy mora, saingy efa nisy nanao izany, ka aleo vary. Porofo hoy ireto mpikatroka amin’ny antoko politika ireto, fa afaka mamaha olana ny TIM. Tsy voafaritra mazava kosa anefa hatreto na firy taonina no amidy, ary aharitra hafiriana no faharetan’io vary amidy mora io. Raha famonoana afo tokoa izao hetsika izao, tsy zaran’ny hafa aza ve hirehitra foana, mba ahafahany mahazo sakafo mora, raha samy manao toy izao avokoa ny mpanao politika rehetra ? Saingy hatreto aloha, dia tsy misy maniry ny hikorontana, satria mora ny mandrehitra afo, fa ny mamono azy no sarotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS