Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Teny zato, kabary arivo

Antitra mampiady kalo

jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely

Na eo aza ny fahanterana, ny raharaham-pirenena tsy azo adino.
Nifoha tamin’ny torimasony ny ankamaroan’ireo zokiolona, izay hita fa olona efa nitana andraikitra teto amin’ny firenena avokoa. Ny hisian’ny vaha-olana haingana, mba hanamafisana orina ny filaminana, ahafahan’ny vahoaka miaina am-pahatoniana sy manatanteraka ny adidy manandrify azy mba hialana amin’izao fahantrana izao. Io no votoatin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo ny talata lasa teo. Antitra mampiady kalo, hoy ny hafa ka tsy azo atao tsinontsinona ny hevitra navoitran’izy ireo tamin’izao fivoahana tamin’ny fahanginana izao. Manana fijery lavitra izy ireo. Mila mailo ny tsirairay eo anatrehan’izao zava-misy izao. Ny lafin-javatra niseho teto amin’ity tanànan’Antananarivo ity aloha hatreto no nanehoan’izy ireo hevitra, fa anio no voalaza fa hihaonany amin’ny mpanao gazety momba ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny hafa.

Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny fisian’ireto zokiolona ireto, ary manana andraikitra ny rehetra handray ny tolo-kevitra izay arosony. Ekena fa manana ny firehana politikany avokoa izy ireo, ary tsy zoviana amin’ny maro ny toerana misy ny sasany eo amin’ity sehatra ity, saingy aoka tsy ho avela ho fotsy rora raha sendra mba miteny.

Andraikitra goavana miainga aty amin’ny vahoaka, ary mipaka hatrany amin’ny mpitondra isan’ambaratonga ny mandinika izay voalazany. Misy raharaha tokony halamina eto, mba tsy hiverenan’ny savorovoro lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS