Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h29
 

Teny zato, kabary arivo

Lava tongotra

lundi 18 août 2008 | Naivo kely

Izay mahavangivangy tian-kavana. Fomba fiteny taloha, nefa mitoetra ankehitriny. Fifaninanana isaky ny kaominina izao no malaza. Samy mandray anjara amin’izany ny ben’ny tanàna mahatsapa fa manana asa mivaingana afaka atao ho modely ao anatin’ny faritra misy azy. Tsara izany, satria fifaninanana masina no atao.

Tsy tokony hijanona eo anivon’ny kaominina ihany anefa ny resaka, fa tokony hipaka hatrany amin’ny sefo distrika sy ny lehiben’ny faritra. Raha ny hita tokoa, ny herinandro lasa teo, dia lehiben’ny faritra vitsy eto amintsika no saika hita mivantana mihaona amin’ny vahoaka. Lava tongotra, hoy ny mpitazana, ka tsy hita matetika any anaty birao. Tsy hianona fotsiny ao anaty birao anefa no hametrahana ireny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireny. Baiko entitra no nampitain’ny filoha Ravalomanana ho an’ireo manana andraikitra isaky ny biraom-panjakana dia ny hidinany ifotony, ahafantarana ny olana mianjady isaky ny fokontany sy ny kaominina ary ny faritra. Hafa ny mahita noho ny mandre. Antenaina fa ny fifaninana atao manerana ny kaominina dia hipaka hatrany amin’ny faritra ihany koa. Inona moa ny olana na hatrany amin’ny ministera isan’isany mba ahita ny ministra tena miasa ? Ny vahoaka no hitsara, ary ny vokatra azo dia hipaka any amin’ny isam-batan’olona. Raha tsy hoe angaha resaka politika no mahazo vahana, ka takon’io ny olona tena miasa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS