Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza ny mpanao sonia sasany ?

vendredi 5 septembre 2008 | Naivo kely

Izay voasoratra dia voasoratra. Io no azo andikana ilay fanambarana nataon’ny zoky olona teto Antananarivo ny talata lasa teo. Nitohizany tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny La Rotonde Besarety izany.

Tsy niova ny fehin-kevitra noraisina tao, dia ny hijerena ny tombontsoan’ireo olona naneho ny safidiny teto Antananarivo renivohitra. Tsy hisy ahita tombontsoa amin’ny korontana, ary ilaina ny mifampihaino. Mijoro amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireto zoky olona ireto, izay nahitana ny Pasitera Andriamanjato Richard, Gisèle Rabesahala, dokotera Manan’Ignace, Rakotovao Andriatiana, Madeleine Ramaholimiaso, Razakarimanana Ferdinand, Lalaina Bertnes, ary Razakarison Noelson.

Mijanonana ho mpanelanelana izahay, ary mila fitandremana ny tanàna. Izay no tsy maha-tafandry saina anay ireto, ary manana andraikitra amin’ny fanairana ny sain’ny rehetra mba hiara-handinika ny ho avin’ity tanàna ity, fa tsy sanatria hanapotika. Ireo no niverimberina nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity. Midika io, hoy ry zareo, fa tsy miandany any amin’ny atsy na ny aroa izy ireo. Ny nanaitra ny maro, dia ny tsy nahitana an’ingahy Rakotomavo Pascal, Guy Willy Razanamasy, Rakotomahanina Ralaisoa Emile, Raharizatovo Gilbert. Fotoan-dehibe io, ka heverina fa tsy misy tokony hialana andraikitra amin’ny fiatrehena iny fotoana omaly iny, ary nanao sonia ilay fanambara avokoa ireo. Sa misy antony hafa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS