Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Teny zato, kabary arivo

Be kenona

samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely

Tsy mety ho tapitra ity hambara ho fingana atao amin’ny kaominina eto andrenivohitra ity. Toa mankaleo ny hafa mihitsy ny mandre ny fitarainana isaky ny miposaka izao ny masoandro. Ny toby finatsonan’ny fiarakodia, sy ny fanagiazana ny vola no atao litania andro aman’alina. Fingana tsy ahafahan’ny ben’ny tanana miasa hono ireo. Hambara fa mipoitra indray ny resaka Samva izay tsy hidiran’ny kaominina intsony ny fiandraketana ny asa ataony. Dia inona indray ny fitarainana rahampitso ?

Te hisitona ny sain’ny betsaka ny lahatsoratra manoloana ireo hambara ho oditra akondro isaky ny mihetsika izao. Fa inona fotsiny no nametrahana ireo mpiara-miasa amin’ingahy Andry Rajoelina eo no tsy hamaha olana. Nambara fa olana ara-teknika io, koa handamina izany ve dia tsy vita ? Ny hery hafa rehefa mandray fahefana hitondra firenena, dia tsy maintsy misy ny olana. Matoa anefa niditra, dia efa mahazaka izany, na ho inona endrika hisehoany. Koa raha tsy maha-tafavoaka baolina ireto mpiara-miasa amin’ingahy ben’ny tanana ireto, tsy aleo soloina olona afaka misedra ny mafy ? Be kenona amin’ny fifandirana eto fotsiny isika, ka ahiana tsy ahavita asa ny farany. Vao valo volana izay no lasa, dia hifararemotra amin’izay mitranga foana ve ny ben’ny tanana rehefa tsy maha-vaha olana ny mpiara-miasa aminy. Ben’ny tanana no anarany fa tsy PDS. Midika io fa tokony ahavita ezaka goavana. Asa mafy izany mitondra tanana izany fa tsy natao hiadanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS