Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h43
 

Teny zato, kabary arivo

Hitsikitsika tsy mandihy foana

jeudi 28 août 2008 | Naivo kely

Manomboka mitsoaka ny rivotra politika, izay handrehitra ny afo niotrika. Tsy tongatonga ho azy tokoa izao seho manomboka mahazo vahana eto amintsika izao, dia ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa.

Sasanangy samy hafa, nefa mety ho iray ihany no hiafarany. Miainga amin’ny grevin’ny JIRAMA izany. Ekena fa fitakiana ny tombontsoa ho an’ny mpiasa no hiaingan’ny resaka, nefa ve ho azontsika sary an-tsaina ny mety ho fiafaran’izao ? Miditra an-tsehatra ny CRN, izay manosika ireo vondron’ny mpanohitra miaradia amin’ny famoriam-bahoaka. Ity farany, dia toa tsy mionona amin’ny famoriam-bahoaka anaty trano, fa mitetika ny hidina an-dalambe. Miseho ny fifandirana eo amin’ny fanjakana sy ny kaominina eto andrenivohitra amin’ny resaka trosa sy ny toerana fiantsonan’ny fiara etsy Ampasapito. Samy tsy manaiky ho gisitra ny rehetra amin’ny fanazavan-kevitra ataony. Miditra an-tsehatra ny antoko TIM manao ny fanazavan-kevitra amin’ny vahoaka. Ankoatry io, dia misy mamadika ilay fidirana amin’ny fiovan-drafitry ny fampianarana vaovao eto Madagasikara. Tsy vitsy ny mamadika io ho resaka politika.

Histikitsika hono tsy mandihy foana fa ao raha. Tsara ny milaza, fa misy ny mahazo tombontsoa manokana raha misy ny korontana eto Madagasikara. Maro no te-hiakatra eo amin’ny fitondrana, ka zara aza misy sehatra afahana manodina ny raharaha ho fanonganam-panjakana. Ilaina noho izany ny fifampihainoana, fa tsy ho sanatria hanao resaky ny moana sy ny marenina lava eto isika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS