Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 18h50
 

Teny zato, kabary arivo

Raikitra ny ady saritaka

mercredi 27 août 2008 | Naivo kely

Hanao ahoana no hiafaran’ity renivohitra ity ? Mifamahofaho ao an-tsain’ny maro io mahita ny zava-misy eo amin’ny fanjakana foibe sy ny mpitantana eo amin’ny kaominina renivohitra. Efa maro ihany ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny haino aman-jery samy hafa momba azy ity, saingy toa mateza roritina toy ny hena ambavan’antitra ny raharaha.

Taorian’ny valin-kafatra nampitain’ny teo anivon’ny kaominina ny alatsinainy lasa teo, dia nitondra ny heviny ihany koa ny mpitondra teny eo anivon’ny antoko TIM dia ny depiote Donat Andriamahefamparany. Tsy tongatonga ho azy izao valinkafatra izao, fa ao ny lehibe mampiteny ny olona azo hitokisany. Toa samy manana ny faha-marinany avokoa ireo izay naneho hevitra rehetra, na ny teo anivon’ny fanjakana foibe nitaky ny trosany tamin’ny kaominina, ary toy izany koa ireo mpitantanana eo amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, ary io vao naneho ny fomba fijeriny io ihany koa ny mpikambana eo anivon’ny antoko TIM.  Velona ny ady eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy takona afenina intsony ny disadisa. Io fifandirana io, dia hiteraka fahavoazana goavana eo amin’ny fampandrosoana ny tanana. Na ho toy inona tokoa mantsy fanazavana apetraka eo amin’ity raharaha momba ny tanànan’Antananarivo ity, dia tsy maintsy hifampiandry kendritohana hatrany ny roa tonta eo amin’ny fomba fiasa.

Iarivo avokavok’i Madagasikara ity no lasa hipetrahan’ny ady saritaka lava eo amin’ny lafiny politika. Dia ho sanatria ve ho sorona hatrany ity renivohitra ity, sy ny vahoaka ao aminy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS