Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Atombohy ny asa

    mardi 28 octobre 2008 | Penjy R. |  481 visites
    Tsy ho diso isika raha manomboka mifantoka any amin'ilay fivoriana atao eto mandritra ny roa taona ny resaka. Fivoriana izay hanokatra ny làlan'i Madagasikara eo amin'izao tontolo izao. Ny fomba amam-panaontsika no tena ahasarika na tsia ny vahiny. Midika izany fa ny kolontsaina Malagasy no andeha omena lanja lehibe. Manana andraikitra goavana amin'io ny ministeran'ny Kolontsaina. Tsy tambo hisaina io kolontsaina mampiavaka antsika io, ary mila trandrahana dien'izao, mba tsy ho sanatria (...)
  • Maso lavitra

    lundi 27 octobre 2008 | Naivo kely |  660 visites
    Mifantoka any amin’ny firenena tandrefana ny sain’ny mpanara-baovao maro. Hanao ny fifidianana izay ho filohampireneny ny Amerikana ny 4 novembre izao. Fifidianana izay hifantohan’ny saina satria tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’izao tontolo izao izay ho filoham-pirenena mety ho lany eo. Tsy idirana lalina ny momba ny kandida repoblikana sy ny demokraty, dia ingahy Obama sy Mc Cain, fa ny ho fihodin’ny tantara manerana izao tontolo izao no mahaliana ny maro. Manana ny politika izay heveriny (...)
  • Ho takona ny TGV

    samedi 25 octobre 2008 | Naivo kely |  1295 visites
    Mila fiomanana mialoha ny fandraisana ny vahiny ho avy eto ny taona 2009 sy 2010. Efa manomboka izany ny fanjakana Malagasy. Hiditra amin'ny fanofanana ireo olona hisahana ny raharaha maro isan-karazany isika. Tafiditra ao anatin'io ny ambaratongam-pitondrana isan-karazany. Ahazo tombony lehibe amin'io fivoriana io ny kaominina ambanivolo Ivato Seranana sy ny Ivato Aéroport. Ho takona amin'izany ny TGV, dia i Andry Rajoelina izany. Mandeha mantsy ny feo, fa ny ben'ny tanàna eny Ivato no (...)
  • Fanamby

    vendredi 24 octobre 2008 | Naivo kely |  830 visites
    Tsy naharototra ny filoha Ravalomanana ny mahita ny krizy ara-bola maneran-tany amin'izao fotoana izao. Tombony lehibe ho a'ny tany andalam-pandrosoana io hoy izy. Porofo nomeny tamin'izany, ny tsy fahazoana mandefa ireo mpiasa avy any Canada miisa 4000 ho aty Madagasikara hiasa ao amin'ny Sheritte Ambatovy. Ny vidin'ny solika io nihena hatrany amin'ny 70 dolara io. Ny firosoana any amin'ny fambolena avo roa heny ihany no vaha-olana haingana hoy izy, satria afaka manao izany tsara isika eto (...)
  • Sarotsaromy fa mahamenatra

    jeudi 23 octobre 2008 | Naivo kely |  957 visites
    Manomboka mifantoka aty Madagasikara ny mason'izao tontolo izao. Vokatr'ilay fandraisana ny fivoriana amin'ny herintaona sy roa taona manaraka io. Tsapa fa efa maro ireo mpanao gazety vahiny no tonga eto Madagasikara, izay mijery ireo ezaka amin'ny fotodrafitr'asa handraisana ireny fivoriana ireny. Tsy ho latsaa-danja amin'izany koa anefa ny fijerena ny toe-karena Malagasy, sy ny kolontsain-tsika. Raha ny tsapa tao anatin'ny andro vitsivitsy, dia maro amin'ireo vahiny no roboka amin'ireo (...)
  • Mamokatra no vaha-olana

    mercredi 22 octobre 2008 | Naivo kely |  462 visites
    Ny fampiakarana avo roa heny ny fambolena no vaha-olana haingana ahafahana misoroka ny fahapotehan'ny toe-karena. Ho firenena afaka mivelona ara-dalana sy manondrana isika. Fepetra noraisin'ny fanjakana ankehitriny io hampiakarana avo roa heny ny fambolena eto Madagasikara io, indrindra fa ny vary. Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io tany ivelany, manoloana ny ho fisorohantsika ny krizy ara-bola maneran-tany. Mampahatsiahy tamin'ny andron'ny amiraly Ratsiraka fony repoblika faha-roa (...)
  • Ambany maso tsy hita

    mardi 21 octobre 2008 | Naivo kely |  872 visites
    Minoa fotsiny ihany. Tanteraka ny nofinofin'ny filoha Ravalomanana ny handray ny fivorian'ireo firenena maro eran-tany ho atao eto Madagasikara. Vitany ny afera, ka resy lahatra ny firenena vahiny hiazo an'i Madagasikara ny taona 2009 sy ny taona 2010. Ny fivorian'ny vondrona Afrikana sy ny firenena miteny ampahany, na manontolo ny fiteny Frantsay io. Hiady hevitra hamahana ny olana eran-tany no anton'io fivoriana io, ary tsy ho diso anjara min'izany ny olana aty Afrika. Hifantoka aty (...)
  • Arema mouvence

    lundi 20 octobre 2008 | Naivo kely |  1614 visites
    Ny zanaky i Deba indray no lasa nitsikera mafy ny lahatenin'i Amiraly Ratsiraka farany teo avy any Paris. Tsy mahita marina ny tenany, ka tsy mahatsapa ny asa vitan'izao fitondrana izao eto Madagasikara. Asa mety ho tatitra diso ihany koa angamba no voarainy ka nahatonga azy hanao ireny fanambarana mivantana tao amin'ny Motel Anosy ireny. Io no nambaran'ireo mpikatroka ao amin'ny Arema, ary niofo ho Arema matotra ankehitriny. Ingahy Henri Charles Randriamahefa no nanambara io ny faran'ny (...)
  • Faly mampisavorovoro

    samedi 18 octobre 2008 | Naivo kely |  1421 visites
    Hody hono i Ratsiraka, fa manina ny tanindrazany. Io ny feo aparitaka etsy sy eroa. Any amin'ny faritra toan'i Vatovavy Fitovinany no tena handrenesana io. Ao Sava ihany koa dia efa manomboka misy ny olona manaparitaka izany. Olona 15 isaky ny distrika no ilaina hitsena azy aty Antananarivo. Tsy voalaza amin'ireo olona ireo kosa anefa ny daty ahatongavany. Rehefa fotorana akaiky anefa ity resabe etsy sy eroa ity, dia toa misy ny faly hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Ireo mpikambana ao (...)
  • Iray andro ho an’ny Polisy

    vendredi 17 octobre 2008 | Naivo kely |  746 visites
    Hifampitadiavana eran'ny tanana i Dorrick. Jiolahy hikoizana eto amintsika, ary nahavita heloka maro. Jiolahy, izay afa-nandositra teo anoloan'ireo mpiambina azy raha hiazo ny fonja eny Tsiafahy. Mihoron-koditra ny mponina raha vao mandre ny anarany. Mitohy ny asa ratsiny hatramin'izao. Maro ny namany efa azo, ary mizaka ny saziny eny am-ponja ihany koa. Miely ny feo eto andrenivohitra mikasika ity jiolahy malaza ity. Tapa-bolana lasa izay, dia saika manao fangalam-piery amin'ny mpitandro (...)
  • Sarotra ny miala amin’ny mahazatra

    jeudi 16 octobre 2008 | Naivo kely |  725 visites
    Ho henjana ny sazy ireo miaramila tsy manara-dalàna manomboka izao. Fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana ireo tany Antsiranana sy Toamasina. Tsy mahazo miasa ivelan'ny toby. Ho henjana ihany koa ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana any amin'izy ireo, indrindra fa ny fitondrana izany eny rehetra eny ivelan'ny asa. Sarotra ny miala amin'ny mahazatra, saingy làlana iray ahafahana misoroka ny loza ny toy izao. Ireny efa niarahana nahita ireny ny nafitsoky ny polisy na zandary ary miaramila. (...)
  • Nankaiza ny varin’ny TIM ?

    mercredi 15 octobre 2008 | Naivo kely |  786 visites
    Miditra amin'ny vanim-potoan'ny maintso ahitra isika izao. Miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Manomboka manao sakafo ambany foitra indray ny tsy manan-katao. Izao no fotoana ilàna ny vary amidy mora nataon'ny antoko tiako i Madagasikara, izay 950 ariary ny kilao. Mifanontany ny rehetra fa nankaiza no tsy misy intsony izy io? Sao mba mitombina tokoa hoy ny hafa ny filazan'ny maro manao hoe, natao hamonoana afo momba ny olana teo amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana (...)
  • Mifamahofaho ny resaka

    mardi 14 octobre 2008 | Naivo kely |  785 visites
    Tsy misy manaiky lembenana ireo mpino krisitianina etsy amin'ny FJKM Anosipatrana. Ny antony dia samy mila ho tompon'ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Mifanosom-potaka tanteraka, ary samy milaza fa hampiakatra ny raharaha any amin'ny ambonimbony kokoa. Resaka finoana izy ity ka manahirana. Tsy vao izao no ahitana tranga mampifanolana ny eo anivon'ny FJKM. Ireny niarahana nahita ireny ny fiafaran'ny teo anivon'ny FJKM Andravohangy fivavahana. Ny fiangonana maromaro teto an-drenivohitra, (...)
  • Faharesena tsy nahataitra

    lundi 13 octobre 2008 | Naivo kely |  597 visites
    Resy indray ny barean'i Madagasikara ny asabotsy lasa teo tany Cote d'Ivoire. Isa mavesatra 3 no 0 no nisarahan'ny roa tonta teo amin'ny 90 minitra, ora ara-dalana. Vita indray aloha hatreto ny dian'ity omby tsy manoto ity hiazo ny Can sy ny mondialy 2010. Na eo aza izany, dia fotoana tokony hakana lesona eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra izay lasa izay. Faharesena lava, ary raha mandresy indray mandeha, dia im-polo kosa no lavo. Tsy ho fanomezan-tsiny ny mpilalao izay nanao ny ainy tsy (...)
  • Hozatra ambavan’antitra

    samedi 11 octobre 2008 | Naivo kely |  648 visites
    Ady amin'ny mosary no tanjona, ka izay tany azo volena, dia atao avokoa, sitrany ahay vaza mihetsika rehefa vokatra ny natsatoka. Nipoitra ny resaka fanotofan-tany tetsy amin'ny digue ary samy nandray ny tandrifiny azy avokoa ny rehetra. Ny mpanao politika no tena niditra lalindalina kokoa tamin'io. Toy ny hozatra ambavan'antitra izy ity ka samy mandrirotra izay tandrify azy. Ny mpanohitra dia ireny niarahana nahita ireny ny fanehoan-kevitra nataony. Eny fa ny amiraly Ratsiraka efa (...)
  • Taitra ny matanjaka

    vendredi 10 octobre 2008 | Naivo kely |  862 visites
    Tsy maintsy hisitahana ireo orinasa an'ny fanjakana, raha te-ho tafavoaka amin'ny fahantrana. Fepetra napetraky ny mpamatsy vola sy ny firenena matanjaka amin'ireo firenena mahantra sy andala-pandrosoana ireo raha mbola te-ahazo ny fanampiana avy amin'izy ireo. Niroso tamin'izany i Madagasikara, ka ny Air Madagasikara sy ny Jirama irery sisa no tsy lasa notantanin'ny vahiny. Mitsoka maneran-tany ny krizy ara-toe-karena. Voan'io avokoa ny firenena matanjaka. Latsaka ambany ny volan'izy ireo (...)
  • Iza no ambadika ny hetsika ?

    jeudi 9 octobre 2008 | Naivo kely |  769 visites
    Tora-kovitra ny maro, mandre, fa miketrika hetsika indray ny mpianatra etsy Ankatso. Tafiditra ao anatin'ny fotoana hanaovan'ny mpianatra fanadinana hidirana eny Ankatso izao hetsika fanadinana izao. Raha vao ny mpianatra no mihetsika, dia ny tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fanontaniana izay ao ambadik'ireny hetsika ireny. Eo mazana no mampahomby na tsia ilay hetsika. Nilaza sahady anefa ny mpanohitra sasany, fa tsy misy hidirany amin'izao fikasana hanao hetsika izao. Manana ny maharary (...)
  • Valalan’amboa

    mardi 7 octobre 2008 | Naivo kely |  744 visites
    Nitotorebika ny maro nandritra ny fetin'ny Oktoberfest, ny sabotsy teo tetsy Mahamasina. Fety izay nilaharan'ny vahoaka Malagasy tokoa, ka ny fifaliana miaraka amin'ny labiera sy ny tsakitsaky isan-karazany no tena nisongadina. Teo ihany koa ny mpanakanto maro samy hafa izay nanafana ny fotoana. Kolontsaina vahiny izy ity, nefa hita fa mahazo laka tokoa eto Madagasikara, raha iny andiany faha-dimy iny no asian-teny. Fa mby aiza kosa ny fanajantsika ny kolontsaina Malagasy ? Nandritra ny (...)
  • Mihorohoro

    lundi 6 octobre 2008 | Hery A. |  739 visites
    Nalazalaza ity resaka momba ny «fampihorohoroana» ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an’io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan’ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin’ny ankamaroan’ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka «baomba» eny amin’ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon’ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka (...)
  • Tsy mahay mampiasa fahefana

    samedi 4 octobre 2008 | Naivo kely |  654 visites
    Toa rano nararaka andamosin-gana fotsiny ny fampiofanana natao ho an'ny ben'ny tanana teny Iavoloha farany teo. Tsapa io amin'ny mbola tsy fahaizan'ny ben'ny tanana miasa amin'ny sehatra maro isan-karazany. Ny fitantanam-bola sy ny fotodrafitr'asa isan-karazany, dia mbola mila fampiofanana betsaka izy ireny. Misy amin'ireo kaominina eto amintsika no tsy mahafantatra ny teti-bola ao aminy. Ny vola nomen'ny fitondram-panjakana Ar 9 tapitrisa aza mbola tsy nohetsehina. Tsy mbola hita hono ny (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS