Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h31
 

Teny zato, kabary arivo

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra

jeudi 16 octobre 2008 | Naivo kely

Ho henjana ny sazy ireo miaramila tsy manara-dalàna manomboka izao. Fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ireo tany Antsiranana sy Toamasina. Tsy mahazo miasa ivelan’ny toby. Ho henjana ihany koa ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana any amin’izy ireo, indrindra fa ny fitondrana izany eny rehetra eny ivelan’ny asa.

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra, saingy làlana iray ahafahana misoroka ny loza ny toy izao. Ireny efa niarahana nahita ireny ny nafitsoky ny polisy na zandary ary miaramila. Mifampitifitra etsy sy eroa amin’ny olon-tsotra. Eny fa misy aza any amin’ny Bar no mampiseho ny fihetsika tsy voahevitra.

Niara-niaky ny rehetra, fa nisy ny goragora teo amin’ny tafika malagasy. Mila arenina io. Manantena ny rehetra fa tena ady amin’ny tsy fandriam-pahalenana no ho hita manomboka izao. Hampihena ny asan-jiolahy iny fepetra henjana noraisin’ny fanjakana iny, ary tsy ny sehatra toy ny ao amin’ny tafika ihany no mila hentitra toy izao, fa eo amin’ny asam-panjakana rehetra. Ho mora ny hiroso any amin’ny fampandrosoana raha toa ka tanteraka izany, ka ho lavitry ny alasafay ny asam-bahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS