Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h28
 

Teny zato, kabary arivo

Iray andro ho an’ny Polisy

vendredi 17 octobre 2008 | Naivo kely

Hifampitadiavana eran’ny tanana i Dorrick. Jiolahy hikoizana eto amintsika, ary nahavita heloka maro. Jiolahy, izay afa-nandositra teo anoloan’ireo mpiambina azy raha hiazo ny fonja eny Tsiafahy.

Mihoron-koditra ny mponina raha vao mandre ny anarany. Mitohy ny asa ratsiny hatramin’izao. Maro ny namany efa azo, ary mizaka ny saziny eny am-ponja ihany koa. Miely ny feo eto andrenivohitra mikasika ity jiolahy malaza ity. Tapa-bolana lasa izay, dia saika manao fangalam-piery amin’ny mpitandro ny filaminana ny lehilahy. Saingy hatramin’izao aloha, dia tafa-poritsaka hatrany ny tenany. Inona no antony ? Toa fantany hatrany ny fiavian’ireo mpitandro ny filaminana hisambotra azy. Midika ve izany, fa misy mampita vaovao aminy ? Tsy hay ny momba io, fa ny azo antoka, dia misy farany hatrany ny ratsy atao. NY 99 andro hono an’ny jiolahy fa iray andro kosa an’ny Polisy. Io iray andro io no tsy ho zakan’ny mpanao ratsy. Isan’ny ezaka lehibe mora hamongorana ny ratsy ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana rehetra sy ny vahoaka. Raha io no mitoetra, dia ho mora ny haningotra ny ratsy rehetra. Tsy ho diso ny fokonolona raha mametraka ny andrimasom-pokonolona isaky ny fokontany amin’izao fotoana. Ny kaominina ivelan’ny renivohitra aloha hatreto no tena tsapa fa miroso amin’ity hetsika ity. Ny eto andrenivohitra kosa mba ahoana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS