Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h51
 

Teny zato, kabary arivo

Ambany maso tsy hita

mardi 21 octobre 2008 | Naivo kely

Minoa fotsiny ihany. Tanteraka ny nofinofin’ny filoha Ravalomanana ny handray ny fivorian’ireo firenena maro eran-tany ho atao eto Madagasikara. Vitany ny afera, ka resy lahatra ny firenena vahiny hiazo an’i Madagasikara ny taona 2009 sy ny taona 2010.

Ny fivorian’ny vondrona Afrikana sy ny firenena miteny ampahany, na manontolo ny fiteny Frantsay io. Hiady hevitra hamahana ny olana eran-tany no anton’io fivoriana io, ary tsy ho diso anjara min’izany ny olana aty Afrika. Hifantoka aty Madagasikara avokoa ny sain’ny mpanara-baovao maro eran’izao tontolo izao. Nosy kely hifantohan’ny ho avy ara-toekarena eran-tany isika. Hitady vaha-olana hamahana ny krizy eran-tany. Isan’ny laha-diniky ireo filoham-pirenena maro io atao eto amintsika io. Ny olan’ny hafa ho voavaha, fa ny mahazo antsika mba ahoana ? Hiarahan’ny maro mahita ny zava-misy iainan’ny malagasy ankehitriny. Ho henatra eo anatrehan’izao tontolo izao ny mandre fa maika isika handray vahiny, saingy ny olany aza tsy voavaha. Aoka mba tsy ho ambany maso tsy hita ny krizy mahazo ny isan-tokatrano, ka mba hisy vaha-olana haingana mialohan’ny ahatongavan’ny vahiny eto. Mba tsy ho fisehoana ivelany, no ho hita fa Malagasy mitraka hiatrika ny ampitso no tanjona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS