Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 7 mai 2024
Antananarivo | 23h38
 

Teny zato, kabary arivo

Sarotsaromy fa mahamenatra

jeudi 23 octobre 2008 |  957 visites  | Naivo kely

Manomboka mifantoka aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Vokatr’ilay fandraisana ny fivoriana amin’ny herintaona sy roa taona manaraka io. Tsapa fa efa maro ireo mpanao gazety vahiny no tonga eto Madagasikara, izay mijery ireo ezaka amin’ny fotodrafitr’asa handraisana ireny fivoriana ireny.

Tsy ho latsaa-danja amin’izany koa anefa ny fijerena ny toe-karena Malagasy, sy ny kolontsain-tsika. Raha ny tsapa tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia maro amin’ireo vahiny no roboka amin’ireo faritra iva eto an-drenivohitra. Na dia mitsiriritra ny fitaovana entina aza ny mpanendaka dia tsy ahoany, fa ny haka sary ireo toerana heverina fa tena sahirana no maha-maika azy ireo. Tsy azo afenina rahateo ny fahantrana amin’ireny faritra ireny. Tsy vaha-olana velively ny hanarotsaromana ny fahantrana amin’ireny, satria hambara ho maha-menatra. Ny fandraisana andraikitra amin’ny asa fanadiovana haingana no maika. Ilaina finiavana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka io. Na trano bongo tsy toy ny tany Canada aza no hitan’ireny vahiny ireny, izay harantiny amin’ny fahitalavitra any ivelany, dia ny fahadiovana sy ny filaminana no tanjona tsara indrindra. Ny fandriampahalemana io efa hiarahana mandre io ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy te ho afa-baraka isika dia aleo miara-mientana, mba tsy ho ny ratsy hatrany no hanakoako any ivelany fa mba ny tsara indray.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS