Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h24
 

Teny zato, kabary arivo

Mifamahofaho ny resaka

mardi 14 octobre 2008 | Naivo kely

Tsy misy manaiky lembenana ireo mpino krisitianina etsy amin’ny FJKM Anosipatrana. Ny antony dia samy mila ho tompon’ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Mifanosom-potaka tanteraka, ary samy milaza fa hampiakatra ny raharaha any amin’ny ambonimbony kokoa.

Resaka finoana izy ity ka manahirana. Tsy vao izao no ahitana tranga mampifanolana ny eo anivon’ny FJKM. Ireny niarahana nahita ireny ny fiafaran’ny teo anivon’ny FJKM Andravohangy fivavahana. Ny fiangonana maromaro teto an-drenivohitra, mbola teo anivon’ny FJKM ihany. Mizarazara ny finoana, na dia tokony hitambatra ho iray aza.

Zary manome vahana ireo finoana hafa ny toy izao, satria izay resy tsy mahazo rariny, dia ireny hiarahantsika ireny ny fanokafany seham-pinoana hafa. Dia mitombo indray ny sekta, hoy ny mpitazana. Andriamanitra iray ihany no hivavahana, nefa dia izao no hiafarany. Inona no fepetra ho raisin’ireto mpino etsy Anosipatrana ireto, raha toa ka tsy afaka miverina amin’ny toerany intsony ilay pasitera noesorina tamin’ny toerany ? Dia ho sanatria ve hiafara amin’ny fifandrafiana toy izao ny fanarahana an’i Jesosy Tompo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS