Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 05h33
 

Teny zato, kabary arivo

Ho takona ny TGV

samedi 25 octobre 2008 | Naivo kely

Mila fiomanana mialoha ny fandraisana ny vahiny ho avy eto ny taona 2009 sy 2010. Efa manomboka izany ny fanjakana Malagasy. Hiditra amin’ny fanofanana ireo olona hisahana ny raharaha maro isan-karazany isika. Tafiditra ao anatin’io ny ambaratongam-pitondrana isan-karazany.

Ahazo tombony lehibe amin’io fivoriana io ny kaominina ambanivolo Ivato Seranana sy ny Ivato Aéroport. Ho takona amin’izany ny TGV, dia i Andry Rajoelina izany. Mandeha mantsy ny feo, fa ny ben’ny tanàna eny Ivato no handray ireto vahiny ireto. Inona izany no maha-renivohitry i Madagasikara ity Antananarivo ity ? Sa mbola mitoetra ny loko politika efa nahazo laka hatramin’izay teto amin’ity renivohitra ity ? Ny tanety lava hono misy hisainana, ary fotoana tokony hametrahana anjorom-bala ny fizarazarana izao. Atambaro ny hery fa voninahim-pirenena no hotandrovina amin’io.

Fotoana ihany koa izao no hanampiana ity tanàna ity, mba ho tena mendrika marina izany renivohitra izany. Ahoana ny Lapan’ny tanàna ? Misy ihany ve ilay fanampiana ara-bola sa tsy misy indray ? Antenaina fa tafiditra ao anatin’ilay fotodrafitr’asa hipetraka eto ity Lapan’ny tanàna ity, ka hiroso tsy ho ela ny asa. Sa handrasana PDS vao ho hita taratra ny tena fiovana eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS