Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h30
 

Teny zato, kabary arivo

Iza no ambadika ny hetsika ?

jeudi 9 octobre 2008 | Naivo kely

Tora-kovitra ny maro, mandre, fa miketrika hetsika indray ny mpianatra etsy Ankatso. Tafiditra ao anatin’ny fotoana hanaovan’ny mpianatra fanadinana hidirana eny Ankatso izao hetsika fanadinana izao.

Raha vao ny mpianatra no mihetsika, dia ny tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fanontaniana izay ao ambadik’ireny hetsika ireny. Eo mazana no mampahomby na tsia ilay hetsika. Nilaza sahady anefa ny mpanohitra sasany, fa tsy misy hidirany amin’izao fikasana hanao hetsika izao. Manana ny maharary azy ireo mpianatra ireo, ka anjarany no mitaky izany. Hanao ahoana ny mety ho avin’ity taom-pianarana vao 2009 ity raha vao ety ampanombohana dia efa manangasanga ny fitokonana ?

Heno fa misy ny fidinan’ny solontenan’ny mpianatra any amin’ny oniversite enina eto Madagasikara, izay manazava ny sain’ny mpianatra amin’ny fitakiana izay ho ataon’izy ireo. Ho hita eo ny mety ho tohin’ity raharaha ity, fa ny hirariana, dia ny hisian’ny fitonian-tsaina eo amin’ny mpianatra, mba ho tonjo hatramin’ny farany ny fianarana ataony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS