Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h17
 

Teny zato, kabary arivo

Hozatra ambavan’antitra

samedi 11 octobre 2008 | Naivo kely

Ady amin’ny mosary no tanjona, ka izay tany azo volena, dia atao avokoa, sitrany ahay vaza mihetsika rehefa vokatra ny natsatoka. Nipoitra ny resaka fanotofan-tany tetsy amin’ny digue ary samy nandray ny tandrifiny azy avokoa ny rehetra. Ny mpanao politika no tena niditra lalindalina kokoa tamin’io. Toy ny hozatra ambavan’antitra izy ity ka samy mandrirotra izay tandrify azy. Ny mpanohitra dia ireny niarahana nahita ireny ny fanehoan-kevitra nataony. Eny fa ny amiraly Ratsiraka efa nipetraka tany ivelany aza tsy tafandry mandry ka nilaza ny heviny. Ny hafa indray, dia nangoraka ireo olona efa nonina sy namboly teo nandritra ny taona maro, saingy ho lasa orinasa fanodinana sakafom-biby indray izy io.

Raha atao amin’ny saina tsy miangatra tokoa, nahoana no io tany io no totofana, nefa maro ny honahona azo totofana tsara ka hananganana ozinina goavana eto an-drenivohitra ? Raisina amin’izany ny etsy Anosipatrana, manatrika ny digue ho any Anosizato iny ? Ny etsy Andohatapenaka ambadiky ny mpanao fatapera, dia ahitana toerana malalaka ihany koa. Sady tsy mamokatra ireo tany ireo no zary fanarian’ny olona ny malotony. Hevitra atsipy ho an’ny manam-panahy rehetra izany, fa maha-kely finoana ny maro ny mbola andeha hamboly raha toa ka toy izao hatrany no miantra amin’izy ireo. Indrindra fa tafiditra amin’ilay ady atao amin’ny mosary maneran-tany isika eto Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS