Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h05
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza ny varin’ny TIM ?

mercredi 15 octobre 2008 | Naivo kely

Miditra amin’ny vanim-potoan’ny maintso ahitra isika izao. Miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Manomboka manao sakafo ambany foitra indray ny tsy manan-katao. Izao no fotoana ilàna ny vary amidy mora nataon’ny antoko tiako i Madagasikara, izay 950 ariary ny kilao.

Mifanontany ny rehetra fa nankaiza no tsy misy intsony izy io ? Sao mba mitombina tokoa hoy ny hafa ny filazan’ny maro manao hoe, natao hamonoana afo momba ny olana teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana fotsiny iny. Ekena fa tsy nahataitra ny maro ny nividy azy teny amin’ny fokontany, saingy nahavonjy ny olona sahirana kosa. Raha lany ny vary namidy mora teo iny, sao mba misy antoko hafa afaka manao izany indray ? Toy ny nitranga tamin’ireny fizarana kahie farany teo ireny. Izay mantsy no atao hoe fifaninanana masina. Ny antoko hiroborobo, ny vahoaka hifaly, ary ny mpivarotra tsy sahy hanondrotra ny entany, satria efa misy ny entana zaraim-potsiny sy ny vary amidy mora. Ho hita eo izay handimby ny TIM amin’ity fivarotana vary varo-mora ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS