Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Teny zato, kabary arivo

Arema mouvence

lundi 20 octobre 2008 | Naivo kely

Ny zanaky i Deba indray no lasa nitsikera mafy ny lahatenin’i Amiraly Ratsiraka farany teo avy any Paris. Tsy mahita marina ny tenany, ka tsy mahatsapa ny asa vitan’izao fitondrana izao eto Madagasikara. Asa mety ho tatitra diso ihany koa angamba no voarainy ka nahatonga azy hanao ireny fanambarana mivantana tao amin’ny Motel Anosy ireny.

Io no nambaran’ireo mpikatroka ao amin’ny Arema, ary niofo ho Arema matotra ankehitriny. Ingahy Henri Charles Randriamahefa no nanambara io ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy mitady toerana izahay, fa manome tanana ny fitondrana kosa amin’ireo asa goavana tanterahiny eto Madagasikara. Tsy naman’ny mpamendrofendro izahay, fa olon’ny asa. Manana adidy lehibe amin’izany ny Arema matotra, indrindra fa akaiky ilay fihaonambe an-tampony aty Afrika izay ho atao amin’ny taona ho avy iny. Tsapa izao fa miady fo mafy ireo olon’ny fitondrana teo aloha manantona ny mpitondra ankehitriny. Ny tsapa anefa dia toa anjorom-bala hatrany izy ireo rehefa tonga ny fizarana ny mamy. Ekena fa tsy mitady toerana izahay hoy ity depiote teo aloha ity, saingy hafa ny manana andraikitra ao anaty fitondrana sy ny olona mitazana ivelany. Sa mbola miandry ny anjara-masoandro eny fa tsy maintsy ho tonga io any aoriana any ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS