Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 23h37
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy mahay mampiasa fahefana

samedi 4 octobre 2008 | Naivo kely

Toa rano nararaka andamosin-gana fotsiny ny fampiofanana natao ho an’ny ben’ny tanana teny Iavoloha farany teo. Tsapa io amin’ny mbola tsy fahaizan’ny ben’ny tanana miasa amin’ny sehatra maro isan-karazany. Ny fitantanam-bola sy ny fotodrafitr’asa isan-karazany, dia mbola mila fampiofanana betsaka izy ireny.

Misy amin’ireo kaominina eto amintsika no tsy mahafantatra ny teti-bola ao aminy. Ny vola nomen’ny fitondram-panjakana Ar 9 tapitrisa aza mbola tsy nohetsehina. Tsy mbola hita hono ny hampiasana azy. Ny fandresen-dahatra ny vahoaka hiara-mientana tsy misy. Raha vao misy olom-panjakana mandalo anefa eny anivon’ireny kaominina ireny, dia ny mangataka fanampiana hatrany no atao. Soa fa nahay nametraka ny fomba fiasa matotra ny teo anivon’ny fitsinjaram-pahefana. Mitarika ny ekipany hidina ifotony ny eo anivon’ny fitsinjaram-pahefana, tarihan’ny tale jeneraly Guy Rivo Randrianarisoa. Manentana ny ben’ny tanana sy ireo olom-panjakana maro mba hahay handamina ny asa tokony hatao eny anivon’ny vahoaka. Raha mitaky ireny hetra ireny, dia mila ampahafantarina amin’ny vahoaka ny nampiasaina azy. Indrindra ireo asa maika tokony ho atao, fa tsy ho tompon-trano mihono hatrany izy ireny. Tsapa io tao amin’ny kaominina Analavory, izay roa volana monja tao aorian’ny nidinan’izy ireo ifotony, dia efa tafakatra hatrany amin’ny 70% mitaha amin’ny teo aloha ny vola ao amin’ny kitapon’ny kaominina. Misy tsy mahay mampiasa ny fahefana napetraky ny vahoaka taminy. Sa natao andrakandrana fotsiny ny nilatsahana ho ben’ny tanana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS