Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 08h53
 

Teny zato, kabary arivo

Fanamby

vendredi 24 octobre 2008 | Naivo kely

Tsy naharototra ny filoha Ravalomanana ny mahita ny krizy ara-bola maneran-tany amin’izao fotoana izao. Tombony lehibe ho a’ny tany andalam-pandrosoana io hoy izy. Porofo nomeny tamin’izany, ny tsy fahazoana mandefa ireo mpiasa avy any Canada miisa 4000 ho aty Madagasikara hiasa ao amin’ny Sheritte Ambatovy. Ny vidin’ny solika io nihena hatrany amin’ny 70 dolara io.

Ny firosoana any amin’ny fambolena avo roa heny ihany no vaha-olana haingana hoy izy, satria afaka manao izany tsara isika eto Madagasikara. Fanamby goavana no nampetraky ny filoha manoloana ny ezaka izay ho ataontsika, ka tsy hisy fiantraikany aty Madagasikara izany krizy ara-bola izany. Tsy izay ahazo ny firenena matanjaka dia hampalemy ny tany andalam-pandosoana. Minoa fotsiny ihany hoy ny filoha, ary ny fiarahana mientana eo anatrehan’ny zava-misy maneran-tany no heverina fa fahombiazana amin’ny sehatra tahaka izao. Midika ve io tenin’ny filoha Ravalomanana io, fa tsy hampiova ny fanampiana mety ho atao amintsika ny toy izao ? Tsara aloha ny tanjona, rehefa sahy mijoro amin’ny olana mety hiseho, ary ny tsy fiankinan-doha be loatra amin’ny any ivelany no tena tanjona hoy kosa ny mpandinika maro eto amin’ny tanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS