Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h07
 

Teny zato, kabary arivo

Faly mampisavorovoro

samedi 18 octobre 2008 |  1421 visites  | Naivo kely

Hody hono i Ratsiraka, fa manina ny tanindrazany. Io ny feo aparitaka etsy sy eroa. Any amin’ny faritra toan’i Vatovavy Fitovinany no tena handrenesana io. Ao Sava ihany koa dia efa manomboka misy ny olona manaparitaka izany. Olona 15 isaky ny distrika no ilaina hitsena azy aty Antananarivo. Tsy voalaza amin’ireo olona ireo kosa anefa ny daty ahatongavany. Rehefa fotorana akaiky anefa ity resabe etsy sy eroa ity, dia toa misy ny faly hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Ireo mpikambana ao amin’ny Arema sasany aza tsy mahalala ny fisian’izany. Ny resaka toy izao anefa tsy tongatonga ho azy, fa ao raha. Sa kosa misy mitsapa ny halalin’ny rano any ho any ? Mampahatsiahy ny resaka nambaran’i Rossy iray taona mialohan’ny hidirany teto an-tanindrazana ity feo aely etsy sy eroa ity. Rehefa hita fa nahababo ny maro ny hodian’ity mpanan-kanto voalaza etsy ambony ity, dia iny tonga tsy nisy rahoraho iny izy.
Dia ho toy izay ihany koa ve ny momba an’ingahy Ratsiraka ? Fantatra anefa fa mbola tsy manan-kevitra ny hitodi-doha eto Madagasikara ingahyRatsiraka, raha toa ka tsy mbola misy ny fampihavanam-pirenena matotra izay ataon’ny fanjakana. Hisy ve anefa izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS