Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h42
 

Teny zato, kabary arivo

Faharesena tsy nahataitra

lundi 13 octobre 2008 | Naivo kely

Resy indray ny barean’i Madagasikara ny asabotsy lasa teo tany Cote d’Ivoire. Isa mavesatra 3 no 0 no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny 90 minitra, ora ara-dalana. Vita indray aloha hatreto ny dian’ity omby tsy manoto ity hiazo ny Can sy ny mondialy 2010. Na eo aza izany, dia fotoana tokony hakana lesona eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra izay lasa izay. Faharesena lava, ary raha mandresy indray mandeha, dia im-polo kosa no lavo. Tsy ho fanomezan-tsiny ny mpilalao izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny voninahim-pirenena izao, fa kosa aleo jerena ifotony ny asa tokony ho atao. Maro ireo mpilalao any ambany ravin’ahitra rehetra any, izay ilana fijerena manokana. Ampitomboana ihany koa ny sekoly ho an’ny baolina kitra, ary vatsiana fitaovana ari-fomba izy ireny. Tokony hipetraka toy ny raharaha-pirenena ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena maro isan-karazany. Io no lalana afahan’ny firenena any ivelany mahafantatra ity Madagasikara ity. Faharesena tsy nahataitra teo amin’ny mpitia ny baolina kitra malagasy iny vokatra iny. Maro no nilaza fa soa aza mba telo monja no tafiditra tamin-tsika raha ny lazan’ireo mpilalao narafitry ny Ivorianina teny ambony kianja no jerena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS