Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h58
 

Teny zato, kabary arivo

Maso lavitra

lundi 27 octobre 2008 | Naivo kely

Mifantoka any amin’ny firenena tandrefana ny sain’ny mpanara-baovao maro. Hanao ny fifidianana izay ho filohampireneny ny Amerikana ny 4 novembre izao. Fifidianana izay hifantohan’ny saina satria tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’izao tontolo izao izay ho filoham-pirenena mety ho lany eo.

Tsy idirana lalina ny momba ny kandida repoblikana sy ny demokraty, dia ingahy Obama sy Mc Cain, fa ny ho fihodin’ny tantara manerana izao tontolo izao no mahaliana ny maro. Manana ny politika izay heveriny hitondrana ny fireneny izy mirahalahy ireto, indrindra fa ny olana momba ny krizy ara-toe-karena maneran-tany. Efa hita taratra ireo mandritra ny fampielezan-kevitra izay ataony, satria manana maso lavitra isika afahana mitaratra izany. Inona no lesona azo tsoahiny mandritra izany fampielezan-kevitra izany ? Maro izy ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahalalahan’ny haino aman-jery any mivoy ny hevitry ny kandida. Toa mandry ivohon’ny vato ny kandida ny mety tsy hisian’ny hosoka amin’ny latsabaton’ireo mpifidy vaventy. Tsy ho pitsiriritra foana anefa isika, fa mba ho tsiriritina ihany koa amin’ny sehatra maro toy izao fifidianana atao any Amerika izao. Ny fifidianana eto mbola ny taona 2012 vao hisy. Nahoana raha ny famerenantsika ny kolontsaina malagasy indray no atao ho fitaratra manerana an’izao tontolo izao. Mba manana maso lavitra ihany koa izy ireo afahany mitazana ny zava-misy eto, indrindra fa ho tonga vahiny isika eto Madagasikara ato ho ato. Sa tsy mety izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS