Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h09
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Resy tsy fitsena

samedi 16 août 2008 | Naivo kely

Ny resy tsy fihoby. Io no tsapa amin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Manoloana ny faharesena nitranga tamin’ny mpilalao Malagasy, na teo amin’ny baolina lavalava, na ihany koa teo amin’ny lalao baolina kitra, dia ny Barea izany.

Raha vao tafakatra tamin’ny sehatra ambonimbony izy ireo, dia saika nanakoako aty amintsika ny zava-bita. Teo ihany koa ny fikarakarana makotroka natao ho an’ireto mpilalao ireto raha vao andeha ho any ivelany hiatrika ny lalao iraisam-pirenena. Resy ry zalahy, ary nangina ny fitsenana azy ireo. Toy izany koa ny lalao any Beijing, izay nitondran’ny mpilalaontsika atody nody. Tsy re-tsaika avokoa ny fahatongavany teto an-tanindrazana. Honjohonjon’izy ireo samy irery no tonga teto amin’ny tany nihaviany. Hatraiza ny fikarakarana ny atletantsika e ? Fa fidiny ho azy ireo ve no resy ? Ny mampalahelo aza dia ny tsy nahitana mpanazatra mba nikarakara teo amin’ny taranja ady totohondry tany Beijing farany teo. Tsy ho gaga isika raha resy hatrany, satria miainga any amin’ny sehatra isan’ambaratongany mihitsy no tsy ampy fikarakarana. Mbola resaka vola hatrany ve no hambara fa fototr’io, sa ny finiavana eo amin’ny fanjakana mipaka hatrany amin’ny clioba mihitsy no tsy misy ? Soa aloha fa nametraka ny taranjam-panatanjahan-tena ho zava-dehibe ny filohan’ny nosy, ka ho anatra izao zava-misy hiainan’ny tanora Malagasy izao. Ho makotroka ny fandraisana azy na resy na mandresy, fa tsy sanatria ho atao tahaka ny niseho farany teo ka ny resy tsy misy mpitsena. Hampietsika ny hambom-po ny tanora ireny, ka hanao ezaka lehibe eo amin’ny sehatra misy azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS