Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy afa-bela i Andry Rajoelina

lundi 25 août 2008 |  1110 visites  | Naivo kely

Diso ny maro raha nihevitra fa ho haingam-pandeha ny TGV. Ny antony dia miseho hatrany ny olana isan-karazany raha nihevitra ny hampandroso ny kaominina aingana ity olom-boafidy. Tsy takona afenina intsony ny resaka politika, ka na dia hambara aza fa tsy hanavahana firehena ny fanampiana atao amin’ireny kaominina manerana an’i Madagasikara ireny, dia tratrin’ny ankivy lava ny eto andrenivohitra.

Niainga tamin’ireny olana teo anivon’ny Jirama, ka nanapahana ny jiro sy rano tamin’ny faritra saro-pady teto andrenivohitra. Nitohy tamin’ny tsy fahazoana manendry sefom-pokontany, ary niampita hatrany amin’ny fampidinana lenta ny renivohitra hitovy amin’ny kaominina ambanivohitra. Niarahana nahita indray ny resaka hetra izay tsy miditra mivantana any amin’ny kaominina sy ny fitakiana ny trosa napetraky ireo ben’ny tanàna sy PDS nifandimby teto hatramin’izay. Eny fa na ny fitantanana ny tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra olona etsy Ampasapito aza, dia nomena ny ATT indray.

Ny fifaninana ho ataon’ny kaominina isan-karazany ity hanomboka, ary ho tsaraina tsy ho ela izay nahavita ezaka lehibe teo amin’ny fitantanana. Mba hanao ahoana ny ho avin’ity renivohitra ity. Moa ve mba misy kaominina hafa mitovy fahavoazana toy ny eto andrenivohitra any ho any ? Mampahatsiaro ny zava-nisy tany Toamasina sy Fianarantsoa ny mahazo ny renivohitra ankehitriny. Tsy ilaina taraina ihany koa anefa ny tahaka izao, fa miandry ny fahaizan’ingahy Andry Rajoelina miala amin’ny sakana ny maro. Ny filoha Ravalomanana raha naneho ny heviny momba izao tranga miseho izao, dia nilaza ny hoe « aza mba hananan’olona trosa ihany ». Midika io fa tsy misy resabe ny momba ny fitakian’ny fanjakana ny volany any amin’ny sehatra tahaka ny kaominina. Matoa niditra, dia vonona ny hisedra ny fingana, ary antenaina mba tsy ho lasa sorona noho ny firehena samy hafa ny vahoaka eto. Raha izay no hitranga, dia samia mijinja izay nafafy, hoy ny fomba fiteny iray izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS