Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 11h41
 

Teny zato, kabary arivo

Tohano tsara, tohano mafy

mardi 9 septembre 2008 | Naivo kely

Nihiratra kely indray ny masom-panahin’ny mpitia baolina kitra Malagasy raha nandresy ny ekipa avy atsy Botswana ny Barean’i Madagasikara. Ekipa efa tsy nisy mpitsetra intsony raha ny avy eto Madagasikara, ka na ireo mpijery baolina malagasy aza, zara raha tonga nanohana ny antso.

Nandresy 1 sy 0 isika. Hiatrika ny dingana manaraka, izay heverina fa ho maozatra no miandry ny mpilalao Malagasy, satria ny ekipa avy atsy Côte d’Ivoire no sakana farany tsy hiakarana any amin’ny CAN sy ny Mondial 2010. Tsy tokony ho afa-po tamin’iny lalao iny isika, fa mila ezaka betsaka, indrindra ny eo amin’ny fampidiram-baolina. Ny fiarahan’ireo mpilalao mandrindra ny lalao eny ambony kianja. Ireo aloha hatreto no nandavo an’i Botswana, ka rariny raha mila fiomanan-tena mafonja sy matotra. Ilaina ny fanohanana ara-tsakafo sy ara-pitaovana, indrindra ny resaka moraly. Tsy ho sanatrian’izany, ka rehefa atomotra indray ny lalao manaraka vao hiantso mpilalao hafa hanatevina ny efa misy, ary hampiova zavatra hafa indray. Tohano tsara, tohano mafy ireo tanorantsika ireo, fa raha izay no tafita, dia azo antoka ny ahatafakatra antsika any amin’ny dingana manaraka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS