Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Teny zato, kabary arivo

Volabe fa tsy hay trandrahina

lundi 1er décembre 2008 | Naivo kely

Hanomboka ny asa etsy Andralanitra. Ho lasa toerana fialam-boly indray izany afaka herintaona ilay toerana fanariana fako sy nampikolay ny maro etsy Andralanitra. Miditra antsehatra mihitsy ny mpamatsy vola toy ny frantsay amin’ny alalan’ny AFD amin’ny fanomezana vola ho enti-mikarakara io faritra nampitondra takaitra ny maro io.

Tsara ny firosoana amin’ny fivoarana toy izany, saingy toerana azo natao ho fitadiavam-bola tsara io faritra io raha haintsika no nitrandraka ny fako teo. Ao anatin’ny vanim-potoana hilazana, fa hanampiana ny tantsaha isika eto Madagasikara. Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ankehitriny ny hamatsiana zezika sy masom-boly mora ny tantsaha. Inona no sakana tsy afahana mamadika ireo fako be ireo ho zezika ho an’ireo tantsaha ireo ? Fitaovana goavana no apetraka eo hamadika izany ho zezika. Sady hadio ny tanàna, no maro ny olona ahazo asa, ary ho mora ny vidin’ireny zezika ireny. Isan’ny tsara ny vokatra azo amin’ny fako. Hitombo avo telo heny ny vokatra eto. Ny fitaovana misy ary ny fako indray no tsy aharaka. Hevitra efa natsidika efa ela ireo, saingy nanidina toy ny volom-borona fotsiny.

Hivadika ny pejy. Ho lasa toerana ahatamana ny maro indray ity faritra midadasika ity. Ho azo antoka aloha hatreto, fa ho maro ny olona hiady toerana eny rehefa injay ka madio Andralanitra. Inona tokoa no sakana raha eny indray no atao toerana fialam-boly isaky ny sabotsy sy alahady ? Mbola amin’ny herintaona izany, fa ny tsara ho fantatry ny maro, dia volabe fa tsy notrandrahintsika ny teo amin’io faritra io. Aoka tsy ho gaga raha hisy vahiny hiditra antsehatra ny amin’izany eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS