Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h49
 

Teny zato, kabary arivo

Mamboly korontana

jeudi 27 novembre 2008 |  1355 visites  | Naivo kely

Any amin’ny fanovana organigrama nataon’ny ben’ny Tanàna teto an-dRenivohitra indray izao ny resaka. Samy milaza izay mba vetsovetsony ny rehetra. Ao ny faly, ary tsy vitsy ihany koa ny tezitra. Feo heno manerana ny Renivohitra io omaly.

Ny tena mampalahelo, dia ny fanitaran’ny sasany ho any amin’ny resaka foko. « Nahoana hoy izy ireny no Merina avokoa no manodidina an’ingahy Ben’ny tanàna, nefa ny foko manontolo no nifidy an’i Andry Rajoelina. Renivohitr’i Madagasikara manontolo ity, ka tsy tokony asiana fanavahana » ? Dia taitra ny maro nandre ny tenin’ity mpanao politika iray ity io omaly io. Nahoana no dia faly mamboly korontana tahaka izany ? Manana zo feno ny Ben’ny tanàna amin’izay olona heveriny fa afaka ny hiara-hiasa aminy. Zava-doza ny fampidirana ity resaka foko ity amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro, ka ilaina ny manalavitra io, sao hamotika ny mpiray tanindrazana. Aoka hitoetra hatrany ny hoe Malagasy ray sy reny isika, ary aza afangaro resaka hafa ny fitadiavana toerana. Sa izay no heverin’ny sasany fa làlana iray ahafahana mitady seza etsy sy eroa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS