Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h46
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy sahy miady hevitra

lundi 15 décembre 2008 | Naivo kely

Be resaka ambadika fa tsy sahy mifanatrika miady hevitra. Io no tsapa amin’ireo mpanao politika eto Madagasikara. Asa tahotry ny ho resy imasom-bahoaka ve sa mbola tsy zakan’ny demokrasia eto Madagasikara ny ady hevitra ?

Raha hitodihana ny tranga niseho teto Madagasikara, dia ny andron’ny Profesora Zafy Albert fony izy teo amin’ny fitondrana no nisy izany ady hevitra nifanatrehana izany. Ny amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy no nanao izany tamin’ny fahitalavim-pirenena. Andro hanaovana ny faradoboka teo amin’izy mirahalahy mianaka ireto io, raha hiatrika ny fihodinana faha-roa amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika ny taona 1997. Zary adino hatreo io nanomboka teo, na dia maro aza no nikarakara hetsika toy izany. Niarahantsika nahita ny fifanatrehana saika natao nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teto Madagasikara, ka tsy tonga tamin’ny ora farany ny kandida avy amin’ny antokom-panjakana teto an-drenivohitra.

Nanao ny loabary an-dasy indray ny filoha Ravalomanana, ka ireo ivelan’ny fitondrana maro no tsy sahy niaka-dapa. Teraka tao ny handinihana ny sata hifehy antoko politika, ka ireo hiarahana mahita ireo indray ny fanehoan-kevitra samy hafa. Tsy ho eny indray hono ny mpanohitra. Fa inona no atahorana hiady hevitra ? Ekena fa manana ny tolo-kevitra entina hiaingana ny fanjakana, saingy azo atao tsara ny miady hevitra. Tsy misy resy tsy miady hoy ny fomba fiteny, fa ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Fa angaha moa tsy mpanohitra avokoa ny ankamaroan’ny antoko eto ? Inona no tsy handresena amin’izany ao anatin’ny dinika ho atao eny Iavoloha.

Sa atao toy ny fifidianana izy ity, ka rehefa vita ny latsa-bato, ka mandresy ny hafa, dia mangataka ny hamerenana izany ny tsy nirotsaka, fa hambara ho nisy hala-bato ? Ho vita ihany koa ny dinika dia hangataka ny hamerenana izany ireo tsy nandray anjara aty aoriana fa hambara ho antoko vitsy no nandinika azy tao, nefa ianao nantsoina tsy nanatrika. Isika rehetra no mandinika, fa aoka tsy ho mora entim-po, ka ato afara vao hanenina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS