Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Teny zato, kabary arivo

Hihinana sa hiandry laoka ?

vendredi 28 novembre 2008 | Naivo kely

Asakasakareo mbola tsy ho avy amin’ny fiantsoako manaraka. Tenin’ny filoha Ravalomanana ny alarobia teo io raha namarana ny loabary an-dasy teny Iavoloha ny tenany. Momba ny lalana hifehy ny antoko politika eto Madagasikara no nasiany teny tamin’io.

Hiantso ny antoko rehetra aho atsy ho atsy, izay handinihana ny fitsipika hifehy izany antoko politika eto amintsika izany. Maro no naneho ny heviny momba io izay nankasitraka. Isan’io ingahy Manandafy Rakotonirina sy ny Jeneraly Ramakavelo. Ny filoha mpitarika ny AREMA Matotra, Pierre Raharijaona, sy ny ingahy Reverend Satrobory avy amin’ny AMF/3FM dia vonona sy nisaotra ny filoha Ravalomanana. Ny avy ao amin’ny antoko AVI Laureant Ramaroson dia ny fomba fanaovana politika eto mihitsy no hilana fanitsiana. Ankilan’izay ireo mpanao politika tena tsy mankasitraka izao fitondrana izao, dia toa tsy rototra amin’io antson’ny filoha Ravalomanana io. Ny mahagaga ny mpitazana anefa, dia manao antso avo amin’ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena. Moa ve tsy efa fikaonandoham-pirenena ny toy izao sa zavatra hafa mihitsy no ilain’ny sasany ? Ny hametraka ny toeran’ny mpanao politika amin’ny toerana sahaza azy no tanjona, koa inona no tsy handraisana anjara amin’ny ady hevitra ? Moa tsy hambara fa mirona any amin’ny fanoherana avokoa ny ankamaroan’ny antoko eto, koa nahoana raha atambatra ny hery handresen-dahatra amin’ny lalana hapetraka eto. Ka hihinana sa hiandry laoka ny antoko politika sasany eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS